- Publicité -
samedi 1 octobre 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversLozam-pifamovoizana nahafaty olona 2 : Mahatsiaro ho very zo ny tompon-kavana herintaona aty...

Lozam-pifamovoizana nahafaty olona 2 : Mahatsiaro ho very zo ny tompon-kavana herintaona aty aoriana

Herintaona lasa tokoa no nitrangan’ity raharaha ity ka mahatsiaro ho very zo ny rain’ilay ankizikely 18 volana maty tamin’io loza io. Tsy fantatra marina tokoa hatreto ny niafaran’ny fanadihadiana momba azy io ka nahatonga an’Andriamatoa Ratovonirina Eugène, rain’ilay zaza 18 volana maty tamin’io loza io, hampanokatra fanadihadiana vaovao eny amin’ny sampana fikarohana ady heloka bevava eo anivon’ny zandary eny Fiadanana. Raha tsiahivina dia ny 30 septambra 2021 no nitranga ny loza. Fiara 4X4 nitondra mpianakavy handeha hamonjy lanonana tao amin’ny fokontany Ambohidavenona, kaominina Alatsinainy Bakaro, ao amin’ny distrika Andramasina no fototry ny loza. Rehefa tonga tao Ambohidavenonana anefa dia najanon’ilay mpamily ny fiara ka teo amin’ny toerana somary fidinana izany. Nivoaka ity farany raha mbola samy tao anatiny avokoa ireo mpadeha nentiny. Teo no nitranga ny tsy nampoizina. Noho ny hatairana angamba na koa ho fiarovany ilay zanany dia natsipin-dreniny tany ivelan’ny fiara ilay zaza 18 volana. Raha nahita izany ny rahavavin-drenin’io zaza io izay tao anaty fiara ihany koa dia nitsambikina nivoaka tany ivelany, toy ny hoe handrombaka ilay zaza. Loza anefa fa voahitsak’ilay 4X4 teo amin’ny lohany ity farany ka maty tsy tra-drano. Tsy vitan’izay fa maty noho ny fianjerany ihany koa ilay ankizikely. Rehefa nitranga io loza io dia nisy ihany ny fitsirihana nataon’ny mpiandro ny filaminana. Nilaza moa Ratovonirina Eugène fa tsy tany an-toerana tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza io fa tany Tsaratanàna, toerana iasany. Roa andro taorian’io ny tenany vao tonga tany ka teo vao nitantarana ny zavatra niseho. Nambarany anefa fa tsy nisy tohiny intsony ilay raharaha avy eo. Nitranga izany, hoy izy, satria angamba toa tsy dia nohasarotin’ny fianakaviam-badiny loatra ilay raharaha fa aferan’ny samy mpihavana ihany. Tsy mandry anefa ny eritreritro, hoy izy, fa namoy ny zanany tokana izy ka mahatsiaro ho very zo tanteraka. Nomarihiny ihany koa fa nisy an-tandrevaka ihany koa tao anatin’ity raharaha ity, satria ankizilahy tsy mbola ampy taona no nampitondraina ilay 4X4 tamin’io fotoana io. Nambarany fa tokony hiakatra fampanoavana amin’ity herinadro ity ny valin’ny fanadihadiana eny amin’ny zandary ka miangavy ny tenany mba hivoahan’ny marina rehetra.

T.M.

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,424AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici