- Publicité -
samedi 1 octobre 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversMiandrivazo : Olona telo maty nihotsahan’ny tany tao anaty lavaka kariera

Miandrivazo : Olona telo maty nihotsahan’ny tany tao anaty lavaka kariera

Anaty lavaka toy izao no mahafaty ireo mpitrandraka.

Olona telo no maty tsy tra-drano nihotsahan’ny tany tao amin’ny kariera Analambaria fokontany Madiokely, kaominina ambanivohitra Dabolava distrikan’ny Miandriavazo ny talata lasa teo. Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana, toeram-pitrandrahana efa ela ihany ity any an-toerana ity ary maro ny olona mifamezivezy ao an-toerana. Ny talata lasa teo, nanao ny asa fitrandrahana tahaka ny fanaony ireo mpiasa eny an-toerana kanjo nitranga tampoka ny loza. Efa tafidina tany amin’ny lavaka lalina izy ireo no nihotsaka tampoka ny tany. Tototra ireo olona telo lahy. Nanao ny asa famonjena avy hatrany ireo rehetra teny an-toerana saingy niala maina. Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana ary niroso tamin’ny fanadihadiana ny antony nahatonga ity loza ity.

Amin’ny ankapobeny, tsy manara-penitra ireny toeram-pitrandrahana ireny ka anisan’ny mahatonga ny loza. Antsoin’izy ireo hoe fitrandrahana artizanaly. Tsy misy araka izany ny fitaovana mety miaro amin’ny loza tampoka, toy ity nitranga ity. « Mandavaka izahay, ary tsy misy fitaovana ankoatra ny angady sy hazo hanohana ny lavaka. Solefanina lavabe no ampidirana rivotra mba ahafahana miaina any ambany lavaka any », hoy ny fanazavan’ireo mpitrandraka nitantara ny fiomba fiainan’izy ireo. Tsy ara-dalàna ihany koa ireny toeram-pitrandrahana ireny. Samy manao izay ahazoany ny tadiaviny ny rehetra, ary samy mandeha samy mitady. Tsy misy lehibe mpaniraka fa tompon’andraikitra amin’ny  tenany avy. Mazana olona mifindrafindra ireo mpitrandraka ary manaraka kariera, sy izay toerana ahenoana fa mety misy harena an-kibon’ny tany. Ifanotofana ary hifanenjehana izay misy an’izany, kanefa matetika mitera-doza tahaka izao. Tsy misy lalàna mifehy loatra, fa malalaka ny rehetra amin’ny fitrandrahana, raha tsy misy ny olona mijoro, na fanjakana milaza fa tompon’ny tany ary manakana ireo mpitrandraka izay voasokajy ho mandinika.

Yv Sam

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,424AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici