- Publicité -
mardi 6 décembre 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversLoza nahafatesana olona 2 tao Andramasina : Nalefa eny Anjanamasina ilay mpamily tsy...

Loza nahafatesana olona 2 tao Andramasina : Nalefa eny Anjanamasina ilay mpamily tsy ampy taona

Fantatra ankehiriny fa nampidirina am-ponja vonjimaika eny amin’ny fonja hoan’ny zaza tsy ampy taona eny Anjanamasina ilay ankizilahy nitondra ilay 4X4 nanao lozam-piarakodia ka nahafatesana zaza 16 volana sy ny rahavavin-dreniny tany amin’ny disitrikan’Andramasina ny 30 septambra 2021 lasa teo. Ny alakamisy teo no niakatra fampanoavana teny amin’ny Fitsarana Anosy ity raharaha ity rehefa nisy ny fanokafana fanadihadiana nataon’ny teo anivon’ny zandary misahana ny heloka bevava eny Fiadanana vokatry na fangatahan’ny rain’ity zaza namoy ny ainy ity. Nangataka fanadihadiana vaovao moa ilay rain-jaza rehefa nahita fa tao afa-maina fotsiny ny olona tokony ho tompon’antoka amin’ity fahafatesan-janany ity. Nisy anefa ny tandrevaka ka nahatonga ny loza raha araka ny fanazavany. Zaza tsy ampy taona no nitondra ny fiara. Ity farany izay voalaza fa ny rainy, izay tsy iza fa ny rafozan’ny mpitory ihany no naniraka azy hamily ilay fiara izay nitondra finakaviana hamonjy lanonana tao amin’ny fokontany Ambohidavenona, kaominina Alatsinainy Bakaro, distrika Andramasina. Tao anatin’io fiara io ihany koa renin’ilay zaza tamin’io. Rehefa tonga tao Ambohidavenona dia najanon’ity mpamily tsy ampy taona ity teo amin’ny toerana tsy milamina loatra ilay fiara rha mbola tao anatiny avokoa ireo mpadeha. Namdeha tampoka anefa ilay 4X4 ka tamin’izay indrindra no natsipin-dreniny nivoaka ny fiara ilay zaza. Toa hoe niezaka hamonjy io zaza io ilay rahavavin-dreniny ka nitsambikina nivoaka ny fiara ihany koa. Indrisy anefa fa voahitsak’ilay fiara tamin’ny lohany ity farany ka maty teo no ho eo. Noho’ny fianjerany, dia maty ihany koa ilay zaza 18 volana.

T.M.

Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici