- Publicité -
mercredi 7 décembre 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversVAKINANKARATRA : Ivo-toerana fitsarana fiara-kodia / Tsy manara dalàna ny Bajaj miasa eto...

VAKINANKARATRA : Ivo-toerana fitsarana fiara-kodia / Tsy manara dalàna ny Bajaj miasa eto Antsirabe

Handray fepetra avy hatrany amin’ireo Bajaj miasa eto Antsirabe sy ny manodidina ny ivo-toerana fitsarana fiara-kodia . Io mantsy no tsikatry ny lehiben’ny ivo-toerana vaovao voatendry hiasa eto  vao nigadona teto ny tenany raha ny filazany. Hanohy ny ezaka tsara  efa vitan’ny teo aloha  aho hoy ny GPC Randriamitovo Andrianaraniaina Davidson lehiben’ny ivo-toerana vaovao voatendry  hisolo ny GPHC Randriamiaramandimby André Noëla.

Efa taona sy iray volana no nitantanan’ity farany ny ivo-toerana teto Antsirabe, maro ny asa vita hoy ny tenany ,na dia tsy vita 100%  aza izany.  Isan’ny mampitaraina ny voahoaka ny tsy fanarahandalan’ireo taxi-be . Voamarika ihany koa ny faharatsian’ny taxi-brousse mpitatitra Betafo-Antsirabe satria sady efa tranainy loatra ny no tsy tomombana ny fiara.  Efa nisy ny fifampidinihina tamin’ireo tompon’ny fiara raha ny nambaran’ny lehiben’ny ivo-toerana teo aloha fa antony iray tsy maha ara dalàna ny fiara ny fiakaran’ny vidin’ny  kojakoja ilain’ny fiara, ny fiakaran’ny vidin-tsolika ary indrindra ny faharatsian’ny lalana Betafo-Antsirabe.

Paikady nentin’ny teo anivon’ny fitsarana  fiara kodia kosa ny tsy fanasaziana avy hatrany fa nianga tamin’ny fandresen-dahatra, fitazaina , ary ny fampianarana. Rehefa nazava tamin’ireo tompon’ny fiara ny tombontsoa azony sy  ho an’ny olona hoentiny dia resy lahatra ihany izy ireo hiditra amin’ny ara dalàna fa nisy kosa anefa ireo niharan’ny sazy avy hatrany noho ny hamafisan-doha.

Tontosa ny faraparan’ny herinandro lasa teo ny fifamindram-pitantanana teo amin’izy roa lahy.

Andry N

Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici