- Publicité -
mardi 6 décembre 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversLalam-baovao  Tsarasaotra : Nitsoaka ilay fiara avy nandona nahafaty mpitondra môtô

Lalam-baovao  Tsarasaotra : Nitsoaka ilay fiara avy nandona nahafaty mpitondra môtô

Nandriaka ny ra teny amin’ny lalam-baovao Tsarasaotra omaly maraina. Lehilahy mpitondra môtô « scouter »  iray no maty tsy tra-drano, olona roa hafa no naratra mafy. Ireo no vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho tamin’iny lalana mampitohy an’i Tsarasaotra sy Ivato iny omaly tokony tamin’ny 7 ora maraina tany ho  any. Tsy fantatra marina ny fotoana nisehoan’ny loza, raha araka ny voalazan’ny zandary izay miandraikitra ity raharaha ity ka izay no tsy ahafahana mamaritra ny tena ora nisehoan’ny loza fa ny filazan’ireo mpandalo no nahalalana ny zava-niseho. Bisikileta nanapaka tampoka teo amin’ny arabe manoloana ny toerana antsoina hoe « Soutte à bombe » no voalaza fa voadonan’ny môtô notaingenan’olon-droa nandeha mafy no niandohan’ny loza. Noho ny hamafin’ny fifandonana dia samy nipitika sy nianjera ireo mpitaingina ireto godiaran-droa ireto. Tamin’izay indrindra anefa no nisy fiara nirimorimo ka nanitsaka ilay môtô sy ny lehilahy mpamily azy. Na teo aza izany, nanohy ny diany ihany ilay fiara fa tsy nijanona. Vokany : maty tsy tra-drano ilay mpitondra môtô ary naratra mafy avokoa ny olona nentiny sy ilay mpitondra bisikileta. Fotona fohy taorian’izay no tonga teny an-toerana ny mpiandro ny filaminana avy amin’ny zandarimarian’i Mandrosoa-Ivato. Ireto farany izay tsy nisy azo natao afa-tsy ny nihaino izay fitantaran’ny mpandalo ary nanaraka ireo marary teny amin’ny hôpitaly Anosiala. Taorian’ny fizahana ny zava-nitranga dia nentina nihazo ny zadarimaria ilay môtô izay potika tanteraka fa ilay bisikileta kosa no nahitana fahasimbana kely. Ilay namoy ny ainy kosa dia naterina eny amin’ny tranom-patin’ny Hôpitaly Anosiala. Hatreto dia mbola tsy hita ilay fiara nahavanon-doza. Ity farany izay tsy fantatra rehateo ny momba azy.

T.M.

Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici