- Publicité -
mercredi 7 décembre 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversSoanierana Ivongo : Nahazo seranan-dakana vaovao

Soanierana Ivongo : Nahazo seranan-dakana vaovao

Ny faran’ny herinandro teo no notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny seranan-dakana vaovao tao amin’ny kaominina Fotsialanana, distrikan’i Soanierana Ivongo. Lanonana manetriketrika izay notarihin’ny Governoran’ny faritra Analanjirofo, ny Dr Randrimanantena Marcellin, niaraka tamin’ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana ary  notronin’ireo olo-manan-kaja maro, olom-boafidy, olom-boatendry, sivily ary miaramila. Tamin’io fotoana io ihany koa no nitokanana ny tsangam-baton’ny vehivavy 8 martsa. Tsy vitan’izay moa fa nisy ny fanolorana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro izay fanomezana avy an’Atoa Governora. “Araka ny tenin’ny Filoham-pirenena, tsy misy atao hadino izany intsony kaominina rehetra eto Madagasikara, ary mbola santatra am-bavarano izao fa mbola betsaka ny fotodrafitrasa ho avy, ho enti-mampandroso ny tanàna” hoy ny kabarin’ny Governoran’ny faritra.

Raiamandreny. Fa ankoatr’ity fidinana tany Soanierana Ivongo ity, dia tsy hadinon’Atoa Governora ireo mpianatra amin’ny maha-raiamandreny azy. Ny alatsinainy teo dia nisy ny fanolorana mari-pankasitrahana ireo mpianatra mendrika indrindra tamin’ny fanadinam-panjakana Bakalorea farany tao, nanerana ny faritra Analanjirofo. Nahazo fanomezana avokoa ireo tsara naoty rehetra tamin’ireo mpianatra eraky distrika enina mandrafitra ny faritra. “Tsy misy havahana izy ireo tsy misy atao zanaka ikala hafa satria Faritra Analanjirofo iray isika rehetra” hoy ny Governora. Nisy ny fitsofan-drano ireto mpianatra ireto, mba ho lasa lavitra ary tena ho reharehan’ny faritra niaviany tokoa.

m.L

Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici