- Publicité -
vendredi 9 décembre 2022
DomicileFaits-DiversAsan-jiolahy eto Toamasina : Nosamborin’ny FIP ingahy Christophe miaramila sandoka

Asan-jiolahy eto Toamasina : Nosamborin’ny FIP ingahy Christophe miaramila sandoka

Tena mirongatra ny vaky trano sy ny fandrobana ary ny halatra môtô eto Toamasina ankehitriny. Tsy mifidy ora ny fanaovan’ireo andian-jiolahy izany fa andro na alina dia asiany hatrany izay efa kinendrin’izy ireo. Mazana dia mampiasa fitaovam-piadiana toy ny basy sy antsy ary sabatra ireo andian-jiolahy mpanao azy ity. Maro ny fitarainana voarain’ny talen’ny filaminana anatiny atsinanana mikasika ireto andian-jiolahy ireto, ka nametraka paikady entina hiadiana amin’izany ny tenany ka isany voairaka hanao izany ny FIP Toamasina.

Vokatra io hetsika nataon’ny FIP notarihany komandany, kaomisera Rafaliarivo Jules, dia raim-pianakaviana 33 taona teraka tao Toliara I antsoina hoe Christophe Ankamia no tratran’ireto polisy, tao amin’ny sampanan-dalana mizotra miazo ny lycée Jacques Rabemananjara iny ny maraimben’ny andro alakamisy 29 septambra teo tokony tamin’ny 2 ora maraina. Raha ny fanazavana dia roa izy ireo nanosika môtô nandritra izany, ka ny iray nanosika môtô cross ny faharoa kosa nanosika moto jog50. Nambaran’izy ireo fa tsy mety velona ireto môtô ka natosika nefa raha nasaina namelona ilay môtô cross ny iray dia tafaporitsaka maizina raha teo moa iny faritra nahatrarana azy ireo iny, ka ingahy Christophe irery no tafajanona teo. Raha nosavaina ny tranon’ity Christophe ity nandritra izany dia nahitana bala kalaky maromaro – fitafiana miaramila maromaro ihany koa – nahitana marika miaramila isan-karazany koa – teo koa ny fitaovana famakiana trano sy sabatra ary asidra fampiasa amin’ny mafamakiana trano sy fanimbana hidina môtô. Tratra tao aminy koa ireo fahana marobe sy fanafody gasy samy hafa ary karatra miaramila. Tao anatin’izany anefa dia fianakaviana iray niharan’ny vaky trano tao amin’ny P/elle 12/21-22 Analakinina hopitalibe Sendra nandalo, izay tsy mifanalavitra amin’ity trano misy ny jiolahy ity ao amin’ny fokontany Salazamay atsimo, ka tafaverina tamin’ny tompony avy hatrany ny môtô iray nangalarin’izy ireo. Nandritra ny fisavana ny trano no nisy ity tovolahy iray nilaza fa fianakavian’ity jiolahy tratra ary nitonona mihitsy fa tonga ny alakamisy maraina io avy any Toliara, ary nanafarany zokiny ity fanafody gasy ahafahana manao ny vaky trano hisy hahare sy fampantotiana ny ao an-trano tiana ho vakiana.

Araka ny fanazavana dia efa ela izy ity no nipetraka nifanila tamin’ny tobin’ny tafika Malagasy ao Analakininina ity, ka miheritra no olona fa miaramila ny tenany, nilaza anefa ny komandin’ny “zone de defense et sécurité Pangalane” fa mpisandoka io olona io. Mila karohina haingana koa ilay namany tafaporotsaka satria mampiasa fitaovam-piadiana ireto jiolahy ireo tamin’ny fanafihany kioska iray tao Analakinina sy Tanamakoa, satria mety any amin’ity jiolahy tafatsoaka ity no misy ny basy fampiasan’izy ireo amin’ny asa ratsiny.

Malala Didier 

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici