- Publicité -
mardi 6 décembre 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversFisolokiana : Lehilahy iray voalaza fa mahatafiditra mpiasam-panjakana voasambotry ny polisy

Fisolokiana : Lehilahy iray voalaza fa mahatafiditra mpiasam-panjakana voasambotry ny polisy

Ela nitoratorahana ity lehilahy lehibe ity ka nahavoa mason’angatra ihany ny niafrany. Raha ny fantatra dia efa maro ireo olona nataony nitondra faisana mihitsy. Very vola sy tsy nahita lalan-kombana intsony nony nahafantatra fa voasoloky. Raha ny fantatra mantsy dia milaza fa mahatafiditra mpiasan-panjakana izany lehilahy izany ary dia maro tokoa ny tafaroboka. Amin’izao tokoa mantsy dia hifandrobahana sy mampilendalendan’ny olona maro tokoa izay hoe hiditra ho mpiasam-panjakana izany. Misy, mba tsy hilazana hoe tena maro ireo olona vonona hanatonta volabe tokoa mba hahafahana miditra ho isan’ireo mpiasa amin’ny fanjakana. Izay fahamaroan’ny olona izay mihitsy no mandrisika ihany koa ireo tontakely, mpisoloky isan-karazany hanao ny asa ratsiny. Anisan’izany ity rangahy voasambotry ny polisy ity. Vitany mihitsy hoy ny vaovao ny mamorona fiantsoana na convocation hosoka avy amin’ilay sampan-draharaha voalaza fa nahatafiditra an’ilay voasoloky. Rehefa mahita izany moa ireo olona tafiditra anatin’ny haratony dia mahatoky tokoa ary mandoa izay vola nifanarahana. Indrisy anefa fa rehefa hanatona ilay sampan-draharaha vao fantatra fa voasoloky. Nisy tamin’izy ireny no nametraka fitarainana teny anivon’ny polisy. Nandray andraikitra avy hatrany ireto farany, nanao ny angom-baovao rehetra ary izao niafara tamin’ny fisamborana ity mpisoloky ity. Ny polisy teo anivon’ny Ppa Antaniavo moa no nahasambotra izany mpisoloky rain-dahiny izany ary nanao ny famotorana azy. Omaly no fantatra fa natolotra teny anivon’ny fampanoavana ny lehilahy.

m.L

Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici