- Publicité -
mercredi 7 décembre 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversTalata Vohimena : Tovolahy maty notapahan-tenda

Talata Vohimena : Tovolahy maty notapahan-tenda

Habibiana tsy roa aman-tany no nitranga tao amin’ny tanana iray tao amin’ny kaominina Talata Vohimena, distrika Manandriana ny voalohan’ny herinandro teo. Tovolahy iray no hita faty, norasaina tamin’ny zava-maranitra ny tendany. Araka ny fampitam-baovao azo dia fokonolona tao amin’ny tanana iray ao amin’ny fokontany Vohimena Avaratra no nahita ity lehilahy efa tsy nisy aina intsony. Nitsirara teo amoron-dalana tao anaty rà mandriaka. Nihoron-koditra ireo nahita ary nampiantso avy hatrany ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Talata Vohimena. Tonga teny an-toerana ireto farany niaraka tamin’ny mpitsabo nanao ny fizahana ny razana. Tamin’izany no nahitana fa maty nisy namono ity farany. Nahitana dian’antsy mantsy teo amin’ny tendany. Dian’antsy izay lasa lalina tokoa ary raha nisy kely dia mety nahatapaka tarangana ny lohany. Fantatra tamin’ireo olona nahafantatra azy ihany koa fa tsy mponina eo an-toerana akory ity lehilahy ity fa mponina any amin’izany tanànan’i Melombody, fokontany Sahafatra, kaominina Talata Vohimena. Hatreto tsy fantatra mazava izay tena antony namonan’ny na ireo olona nahavanona izany. Mazava ho azy tsy mbola fantatra ihany koa ireto farany. Efa mandeha moa ny fikarohana ireto mpamono olona ireto sy ny fanadihadiana manodidina izay, izay sahanin’ ny zandary avy amin’ny zana-tobim-paritra Talata Vohimena. Taorian’ny fitsirahana ny razana moa dia natolotra ny fianakaviany izany.

m.L

Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici