- Publicité -
mardi 29 novembre 2022
DomicileFaits-DiversRN4 : Nasiana borigady manokana hiady amin’ny fanakanan-dalana

RN4 : Nasiana borigady manokana hiady amin’ny fanakanan-dalana

Tafapetraka tamin’ny fomba ofisialy ny zoma lasa teo ny « Brigade routière speciale », na ny BRS Ramala. Borigadin’ny zandarimariam-pirenena manokana, hisahana ny lalam-pirenena fahefatra iny. Araka ny fanazana nentin’ny Jly Rakotomalala, lehiben’ny Etamaozaoro eo anivon’ny fibaikonan’ny zandary, izay nisolo tena ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, dia hiasa hiady amin’ny resaka tsy fandriam-pahalemana fa indrindra ny fanakanan-dalana ary hisorohana ny lozam-pifamoivoizana no antony nametrahana izany borigady manokana izany. Tsy vitan’izay anefa fa hiara-miasa akaiky amin’ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana amin’ireo faritra manodidina ity borigady ity, hanampy azy ireo amin’ny fampandriana fahalemana. Manana ary ampy fitaovana amin’izany ireo zandary hiasa ao amin’ity toby vaovao ity, raha ny fanazavana azo hatrany. Velom-bolo ary velom-pisaorana tanteraka ny fitondràna fa indrindra ny  zandarimariam-pirenena ireo mponina, izay nosoloin’ireo tompon’andraikitra isan-tokony tena tamin’ny fandraisana fitenanana.

Marihina fa napetraka teo am-pizarantanin’ny faritra Analamanga sy Betsiboka ity toby manokana ity, any amin’ny 170km miala ny renivohitra, toerana antsoina hoe Ramala, ao amin’ny kaominina Kiangara, ary manomorona iny RN4 iny. Marihina fa BRS fahefatra tafapetraka izao notokanana izao. Ny voalohany teny amin’ny RN2, eo Sahamamy Brickaville, ny faharoa, eny RN7, eo Ambalamanakana ary ny fahatelo, amin’iny RN34 iny, eo Analakininina. Lanonana niavaka tokoa izay notarihin’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ary notronin’ireo olo-manan-kaja maro, sivily sy miaramila, olom-boatendry sy olom-boafidy tany an-toerana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici