- Publicité -
vendredi 2 décembre 2022
DomicileFaits-DiversTetik’asa Rindra – Analanjirofo : Tontosa ny atrik’asa andiany faharoa

Tetik’asa Rindra – Analanjirofo : Tontosa ny atrik’asa andiany faharoa

Ny zoma lasa teo no nifarana ny atrik’asa faharoa izay niarahana tamin’ny tetik’asa Rindra, ary nisitrahan’ireo tompon’andraikitra isan-karazany sy ireo solon-tena avy amin’ny sampan-draharaham-panjakana maro avy tao amin’ny faritra Analanjirofo. Naharitra telo andro izany atrik’asa izany, izay natao tao Foulpointe, ary nijerana manokana ireo olana sy vahaolana ho amin’ny fampandrosoana ny faritra. Ny fanamboarandalana, ny fanomezana angovo, fanampiana ara-bola, fandraisana andraikitra mavitrika amin’ny fanatanterahana asa tandrify ao amin’ireo sampan-tserivisy rehetra aty ifotony ary fanatsarana ny fidirambola ho an’ny tsirairay ireo no mbola mila hamafisina sy hilana fanampiana heverina fa mamaly ny filana raha ny fampandrosoana maharitra ato amin’ny Faritra Analanjirofo no resahina. Tsiahivina fa miompana betsaka amin’ny fampandrosoana isam-paritra moa ny tetik’asa Rindra, izay haharitra dimy taona eto amintsika ary anisan’ny misitraka izany ny faritra Analanjirofo. Tonga tany an-toerana nanatrika ity atrik’asa ity moa ny Governoran’ny faritra ny Dr Randrimanantena Marcellin amin’ny maha-mpitarika ny fampandrosoana ny tenany, niaraka tamin’ny Lehiben’ny Fileovana ao Fenoarivo Atsinanana ary ny mpandrindra nasionaly ity tetik’asa Rindra ity. Tsiahivina fa aorian’izao atrik’asa izao dia hisy ny fandravonana ireo vahaolana rehetra hita ary miroso amin’ny fanantanterahana ireo asa ireo ny Tetik’asa.

m.L

Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici