- Publicité -
mercredi 30 novembre 2022
DomicileFaits-DiversBelo Tsiribihana : Mpivady novonoina, notapahina ny lohany ary nentina nitsoaka

Belo Tsiribihana : Mpivady novonoina, notapahina ny lohany ary nentina nitsoaka

Tranga nampivarahontsana no nitranga tao amin’ny  kaominina Tsimafana, distrikan’i Belo Tsirihibina, omaly maraina. Lehilahy sy vehivavy iray, niampatra tanaty rà mandriaka, efa tsy nisy aina intsony. Tsy vitan’ny novonoina ho faty izy ireo fa mbola notapahina ihany koa ny lohany ary nentin’ireo tsy valahara.

Teo amin’ny saha iray tao amin’ny tanàna antsoina hoe Tsianaloka, sahabo ho roa kilaometatra, atsinanan’ny tananan’Ampanihy, kaominina Tsimafàna no nahitàna ireto mpivady ireto, omaly tokony ho tamin’ny dimy ora maraina tany ho any. Nidina avy hatrany tany an-toerana, taorian’ny fampandrenesana azy ireo moa ireo tompon’andraikitra tany an-toerana, ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandary sy ny lehiben’ny polisy, niaraka tamin’ny mpitsabo. Taorian’ny fitsirihana ireo razana no nahafantarana fa efa ny alin’ny alatsinainy hifoha talata, tokony ho tamin’ny iray ora tany ho any no nanantanterahan’ireo olon-dratsy izao vono olona feno habibiana izao. Tamin’io fotoana io ihany dia efa nisy ny famotorana tsotsotra natao tany an-toerana. Raha ny fampitam-baovao azo mantsy dia mety ho azo eritreretina ihany ireo olon-dratsy nahavita izao habibiana tsy roa aman-tany izao.

Araka ny fanazavana azo hatrany dia mantsy dia tokony hanantanteraka ny fanolorana ny zavatra tapaka nandritra ny kabary “dina” natao ireto farany sy ireo olona vono dina, ny alatsinainy teo. Kanefa dia izao zava-doza izao no nitranga iray andro taorian’izay. Ny zava-nisy mantsy : ny voalohandohan’ny volana septambra lasa teo dia niharan’ny fandrobana izy mivady ireto, ka lasan’ireo mpangalatra tamin’izany ny kojakoja rehetra tao an-tranon’izy ireo. Rehefa nisy ny fanarahan-dia nataon’ireo fokonolona sy ireo tompon’andraikitry ny dina dia very dia teo amin’ny tanànan’Ampanihy ireto farany.  Ny 26 septambra lasa teo no natao ny kabary “dina”, teo amin’ireo tanàna izay nahavery ny dia sy ity tokantrano niharan’ny fandrobana ity, ary tamin’io andron’ny alatsinainy no saika hanaovana ny fanolorana ny zavatra tinapaka.

Efa nandeha hatramin’ny omaly moa ny fanarahan-dia tany an-toerana. Nosokafana toraka izany ihany koa ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity, hikarohana ireo nahavanon-doza.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici