- Publicité -
vendredi 9 décembre 2022
DomicileFaits-DiversJeneraly Serge Gellé: “Tsy miaro jiolahy ny zandarimariam-pirenena”

Jeneraly Serge Gellé: “Tsy miaro jiolahy ny zandarimariam-pirenena”

Nahitsy ary nazava ny tenin’Atoa Jeneraly Serge Gellé, Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, raha nanipy teny tamin’ireo zandary olom-peheziny izy. “Tsy mi-”blague” aminao ny SEG ary tsy miaro jiolahy ny zandarimariam-pirenena (…) Io ilay trafon-kena ome-mahery” hoy izy. Tsapa tokoa hatreto fa na dia eo aza ny fanentanana isan-karazany sy ny baiko omena ireo zandary ny amin’ny tokony hanarahana ny fitsipi-pifehezana dia mbola misy sasantsasany ihany, minia tsy manaraka izany ary mivaona tanteraka amin’ny asa tokony hataony. Raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ny tranga tany Anjozorobe farany teo, izay nahafantarana fa misy zandary, mpiray petsapetsa ary mpiray tsikombakomba tanteraka amin’ireo jiolahy mpaka an-keriny. “Ry zandary namana, raha hanao ny fomban’ny dahalo, aleo tonga dia miala fa mamono tena ianao ary mampijaly ny vady aman-janakao hanati-bary ho anao isan’andro any am-ponja (…) Fampitandremana ho an’ireo zandary mbola manao fomba ratsy mampahory ny vahoaka sy miray tsikombakomba amin’ny olon-dratsy”, hoy ny hafatr’ity manamboninahitra jeneraly ity. Ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenana moa dia tsy mitsahatra tokoa ny manentana ny rehetra ary milaza ombieny ombieny fa “namana ny zandarimaria”.  “Aoka tsy hisalasala hitoroka, miaraka amin’izay mety ho porofo marina, raha mahita tranga fihoaram-pefy ataon’ny zandary”.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici