- Publicité -
lundi 5 décembre 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversRaharaha “fanampohana solika” : Olona iray indray no nosamborina tany Foulpointe

Raharaha “fanampohana solika” : Olona iray indray no nosamborina tany Foulpointe

Mitohy hatrany ny fanadihadiana lalina ataon’ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, mahasika ity raharaha “solika mitampoka” ity. Fantatra ary fa nisy olona iray indray  voasambotra tao Foulpointe, ny alahady lasa teo. Olona iray voalaza fa mpiray tendro tanteraka tamin’ireo mpanao trafika tao Toamasina.

Taorian’ny fitoriana napetraky ny sampandraham-panjakana misahana ny solika teto amintsika, mahakasika ny resaka trafikana solika sy fanampohan-javatra ny solika amidy eto dia nanao ny asany avy hatrany ny zandarimariam-pirenena, tamin’ny alalan’ny sampana mpikaroka heloka bevava tao Toamasina. Andro vitsy taorian’io fitoriana io dia tra-tehaka ireo tambajotra mpanao izany tao Toamasina, tao anaty garazy iray, tao Antanandava. Tsy vita teo anefa, raha ny fampitam-baovao azonay. Araka ny baiko nomen’ny tonia mpampanoa lalàna tany an-toerana, ny amin’ny hanohizana ny fanadihadiana dia voalaza fa nisy mpiray tsikombakomba tamin’ireto mpanao trafika ireto, any Foulpointe. Fantatra fa nalefa tany an-toerana mihitsy aza ireo solika tao Toamasina, taorian’ny fisavàna nataon’ireo zandary. Rehefa nataon’ireto mpanao fanadihadiana ny fanarahana tokoa izany solika izany dia niantefa tao amin’ny tokantranon’ny lehilahy iray, izay mitazona ny ampahany tamin’izany.

Nisy avy hatrany ny fisavana ny tranony ka nahitana “bonbonnes” 72 isa feno solika : gasoil, petrol ary essense tao, ary 45 isa efa tsy nisy na inona na inona intsony. Tsy vitan’ireo anefa, raha ny fampitam-baovao azo hatrany, fa mbola nahitana basy iray, niaraka tamin’ny bala enina, tsy nisy taratasy tao amin’ity lehilahy ity. Manana fahazoan-dalàna hitondra fitaovam-piadiana izy, raha ny fanazavana hatrany, saingy efa maty paik’andro tamin’ny taona 2020. Tsy vitan’izay ihany koa anefa, fa mbola nahitana môtô isan-karazany niisa 34 isa tao aminy, izay tsy fantatra mazava ny fiavian’izany. Ary ankoatra izay, nahitana menaka “moteur” 11 barika. Nogiazana avy hatrany tao an-toerana moa ireto entana tratra tao aminy ireto, raha nentina avy hatrany natao andrimaso, mba hatao famotorana ity lehilahy ity. Araka ny vaovao azo hatrany dia fantatra fa tena nifandray tanteraka tamin’ireo olona ahiahiana tamin’ny fanampohana solika ny tenany. Ny tsy fantatra aloha hatreto dia hoe mety ho anisan’ireo atidoha sa ao anatin’ireo irakiraka fotsiny ihany. Mbola manohy hatrany ny fanadihadiana moa ireo tompon’andraikitra misahana ity raharaha ity ary heverina fa ho voasambotra tsy ho ela ireo mpiray petsapetsa tamin’ity raharaha ity.

Nitana ny sain’ny maro tokoa ity resaka ity tato ho ato. Iarahan’ny rehetra mahalala tokoa mantsy fa ambonin’ny efa fiakaran’ny vidin-tsolika dia mbola maro ihany koa ireo simba fiara sy moto vokatr’izay kalitaon’ny solika mitampoka ranon-javatra hafa izay. Nampahafantatra moa ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena fa zon’ny tsirairay, izay nahatsiaro tena ho lasibatra tamin’ity resaka solika mitampoka ity, ny mitory ny tobin-tsolika nangalana izany, miaraka amin’ny porofo rehetra : ny faktiora nangalana ny solika ary ny fitsirihan’ny “mecanicien”. Raisin’izy ireo soa aman-tsara mihitsy izany fitoriana izany, saingy hatreto aloha, tsy mbola nisy voarain’izy ireo, araka ny fanazavana azo.

m.L

Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici