- Publicité -
mercredi 30 novembre 2022
DomicileFaits-DiversBelo Tsiribihina : Dahalo 13 maty voatifitra, tafaverina ny omby

Belo Tsiribihina : Dahalo 13 maty voatifitra, tafaverina ny omby

Tsy niandry ela ny valin-kafatra ! Taorian’ny fanafihan-dahalo nivaivay niseho  tao amin’ny tanànan’i Masoarivo, distrikan’i Belo Tsiribihana, tokony ho herinandro vitsy lasa izay, dia nisy avy hatrany ny fanarahan-dia nataon’ireo zandary tany an-toerana notarihin’ny Kaomandin’ny vondro-tobim-pileovan’i Menabe. Nisy ny fifandonana teo amin’ny roa tonta, tamin’ny toerana iray niala lavitra ilay fanafihana. Vokany, dahalo 13 isa no lavo ary tafaverina soa aman-tsara ny omby am-polony maro, lasan’ireo malaso.

Talohan’io fotoana io tokoa mantsy dia dahalo maro nirongo fitaovam-piadiana no tonga nanafika ny tanànan’i Masoarivo. Tanàna izay voalaza fa somary mitokana sy saro-dalana tokoa. Niraradraraka ny tifitra nataon’ireo olon-dratsy izay nahavoatifitra olona telo tao an-tanàna.  Saika lasa avokoa ny omby tao an-tanana tamin’izay fotoana izay. Rehefa nisy ny fampandrenesana nataon’ny tompon’andraikitra tao an-toerana ireo mpitandro filaminana dia nandray an-tanana avy hatrany raharaha izy ireo. Sendra nanao fisafoana tany amin’iny  toerana iny rahateo tamin’io fotoana io ny kaomandin’ny vondron-tobim-pileovana Menabe, ka izy mihitsy no nirotsaka an-tsehatra, nitondra zandary maromaro sy ireo rahalahiny avy eo anivon’ny Tafika, niaraka tamin’ny fokonolona, nanatanteraka ny fanarahan-dia. Lalana adiny roa mandeha fiara, niampy adin’ny roa  mahery mandeha an-tongotra vao nifankatazana ireo olon-dratsy nandroaka ireo omby sy ireto mpanara-dia. « Nahazo toerana ambony izahay tamin’io fotoana io ka afaka nametraka tsara ny paik’ady rehetra. Tamin’izay fotoana izay mantsy dia efa hitan’ireo malaso ihany koa izahay ka raikitra teo ny fifandonana » hoy ny fampitam-baovao azo. Nahatratra am-polony tany ho any ireo dahalo lavo nandritra izany. Nanao tongotra an-katoka nitsoaka kosa ireo ambiny rehefa hitan’izy ireo fa tsy resy tosika ireto mpanenjika, namela ireo omby teny am-pelatanan’izy ireo. Tamin’ny fitsirihana ireo razana, izay nisy  teo amin’ny 13  teo no nahitana fa saika ireo dahalo kalazalahy sy nampitondra faisana ireo mponina tany an-toerana avokoa izy ireo. Mbola nitohy taorian’io moa ny fanenjehana ireo tafatsoaka ary mbola mandeha hatramin’izao ny fanaovana hazalambo azy ireo, araka ny fampitam-baovao azo tany an-toerana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici