- Publicité -
jeudi 8 décembre 2022
DomicileFaits-DiversItaosy : Mpamily taxibe nosamborin’ny pôlisy niteraka savorovoro

Itaosy : Mpamily taxibe nosamborin’ny pôlisy niteraka savorovoro

Raikitra ny sakoroka tetsy Itaosy, ny harivan’ny sabotsy lasa teo. Mpamily taxibe avy ao amin’ny zotra 143, izay misehatra eny amin’iny faritra iny no voatery nifanenjehana sy ny nosamborin’ny pôlisy tamin’io hariva io, rehefa tsy nety nosakanana sy niziriziry tsy nanome ny taratasin’ny fiara. Araka ny fanazavana nomen’ny teo anivon’ny pôlisy dia voalaza fa tra-tehaka, tsy nanaja ny bokin’andraikitra mifehy izany zotra misy azy izany ity fiara ity ka nandray andraikitra ny pôlisy nanakana azy. “Nandà mafy ny tsy hanome ny taratasin’ny fiara ilay mpamily sady nirifatra nandositra. Rehefa nifanenjehana anefa dia tsy afaka ny ho aiza fa tratra teny amin’ny tobin-tsolika iray ihany”. Araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso ny zava-nisy dia toa hoe avy nanao “special” ity fiara mpitatitra ity fa tsy niasa akory tamin’io fotoana io. Hany tsy tany amin’ny lalany mahazatra araka izany no nizorany fa somary nanitsy izy. Izay no hitan’ireo pôlisy ka antony nanakanan’izy ireo ity fiara ity. Tsy fantatra anefa izay zavatra nitranga taorian’izay fa nivoaka ny fiara ilay mpamily ary nitsoaka ireo mpitandro filaminana nanakana azy. Velona teo ny fifanenjehana ary tsy lasa lavitra dia azo ihany ity farany. Somary naherihery ihany ny fisamborana nihatra tamin’ity mpamily ity. Tamin’izay ihany koa dia efa nanomboka nitangorona ny olona. Nambaran’ireo nanatrika sy ireo sary niparitaka tanaty tambajotra sosialy moa fa hoe “niharan’ny daroka sy ny vono avy tamin’ireo mpitandro filaminana ity mpamily nitsoaka ity”. Taorian’izay fisamborana izay moa dia nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny kaomisaria izany mpamily izany. Nanazava ihany koa moa ny teo anivon’ny pôlisy fa hoe “nentina nozahana tany amin’ny dokotera ny fahasalaman’ilay mpamily, ary voamarina fa salama tsara izy, tsy nisy marika mihitsy milaza izay mety fandratrana na fikasihan-tanana azy hitan’ny mpitsabo fa tsy araka ny vaovao ahely amin’ny tambajotran-tserasera”. Notanana natao andrimaso tany amin’ny biraon’ny kaomisaria avy hatrany moa ity mpamily ity. Nanaraka azy ireo sy nihorakoraka avy tato aoriana ny fokonolona, izay saika nitarika tamin’ny zavatra hafa, saingy rehefa nisy ny fifampiresahana dia niverina nilamina ihany ny toe-draharaha teny an-toerana.

m.L

Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici