- Publicité -
jeudi 9 février 2023
DomicileFaits-DiversNamontana : Môtô halatra saron’ny polisy

Namontana : Môtô halatra saron’ny polisy

Teny amin’iny faritra Namontana iny, môtô “scooter” marika “Kymco Racing King” no saron’ny pôlisy avy eo anivon’ny “Compagnie urbaine d’intervention”, raha nanao fisafoana teny amin’iny toerana izy ireo, omaly, tokony ho tamin’ny telo ora maraina tany ho any. Raha ny fampitam-baovao azo dia tovolahy efatra somary kaodikaody no niezaka nanosika izany, tsy lavitry ny tetezan’i Namontana, akaikin’Ankadimbahoaka. Vao nahatsikaritra ny fihetsik’ireto farany avy lavitra moa ny pôlisy dia nanatona azy ireo avy hatrany. Saingy vao tazan’izy ireo fotsiny ireto mpitandro filaminana dia nanao tongotra an-katoka nitsoaka toy tsy teo ry zalahy, namela ilay môtô teo. Raha ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy hatrany dia mety efa nihidy ity môtô saingy mbola voavahan’ireo mpangalatra ireto ihany. Hita fa efa nosokirina mantsy ny lakileny ary simba ny hidiny. Mbola tavela teo ihany koa ny fitaovana nanapitsohan-dry zalahy izany kodiaran-droa izany. Nentina avy hatrany nihazon’ny kaomisaria foibe tetsy Tsaralalàna moa ilay môtô ary manentana izay mety ho tompony, mba ho tonga haka izany eny an-toerana, miaraka amin’ny taratasiny rehetra. Efa mandeha kosa ny fikarohana ireto mpangalatra ireto.

Fa omaly ihany, môtô “scooter” iray ihany koa no very tetsy Ampasampito, manoloana ny tobim-piantsonan’ireo fiara miantsinanana. Araka ny nambaran’ny tompony, nanao fitairana tao anaty tambajotra sosialy dia nandeha nitsofoaka nividy zavatra tamin’ny fivarotana tsy lavitra teo ny nitondra azy. Tamin’izay fotoana izay no nisy nanosika ilay môtô ary tsy hita intsony. Miverina mirongatra tokoa amin’izao ity resaka halatra môtô ity. Tsy mitsahatra miaka-bidy tokoa mantsy izany fitaovana izany  noho ny fahabetsahan’ny mpila azy manoloana ny fitohanan’ny fifamoivoizana tsy misy fiafaràny eto an-drenivohitra. Fantatr’ireo mpangalatra izany. Mila mailo dia mailo tokoa araka izany rehefa mametraka môtô eny rehetra eny. Tsy kely lalana ny ratsy ary porofo izao fa na dia môtô efa mihidy aza dia mbola vitan’izy ireo ny mamoha azy.

m.L 

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici