- Publicité -
mardi 6 décembre 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversMandoto RN35 : Mpanakan-dalana 2 lafy maty voatifitry ny zandary

Mandoto RN35 : Mpanakan-dalana 2 lafy maty voatifitry ny zandary

Ity vokatra azon’ny zandary toa Mandoto ity no manaporofo fa mahomby tery ny lalan’ireo mpnao ratsy rehefa tonga ara-potoana ny fampandrenesana azy ireo amin’ireny asan-jiokahy ireny. Taksiborosy iray no nisy nanafika tamin’iny RN35 tao amin’ny toerana antsoina hoe Andoharano, fokontany Tdaramody, kaominina Antanambao Ambary, distrikan’I Mandoto ny 26 oktobra tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro. Norobain’ireo jioahy tamin’izany ny vola 3 000 000 ariary, ny teelefaonin’ireo mpandeha ary firavaka maromaro. Fotoana fohy taorian’io dia nahazo antso ny zandary toa mandoto ka nametraka ny paik’ady rehetra hanenjehana ireo mpanakan-dalana sy mpandroba ireo. Nisy zandary 6 izay nanao fisafoana tamin’io fokontany io talohan’ny nitrangan’ny fanafihana ka naverna haingana sy nahetsika avy hatrany hanao ny fanarahan-dia. Tetsy ankilany, zandary 15 lahy avy ao amin’ny  vondron-tobim-paritra Mandoto izay notarihan’ny kapiteny kaomandin’ity toby ity. No naparitaka nanao ny sakana rehetra ireo lalana tokony hizoran’ireo jiolahy. Ora iray sy sasany taorian’ny fanafihana dia tratra ireo jiolahy izay nanohitra. Nisy arak’izany ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta tao amin’ny toerana atao hoe Ambararata. Lavon’ny balan’ny zandary tamin’izany ny jiolahy miisa 2 izay nahitana basy poleta miisa 2 nampiasain’izy ireo tamin’ny fanafihana sy naniherana ireo zandary. Manoloana izany dia nilaza ny lehiben’ny vondron-tobim-paritra Mandoto fa tdy maintsy hikaroka ary tsy maintsy hahita ny mpamatsy basy sy bala ireo jiolahy. Antenaina fa hahitam-bokany izany ka hampihena ity asan-jiolahy efa tena mampikaikaika ny mponiinana ity.

T.M.

Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici