- Publicité -
samedi 10 décembre 2022
DomicileFaits-DiversIlanivato : Tovolahy nikasa hamaky tranom-barotra, voasambotry ny pôlisy 

Ilanivato : Tovolahy nikasa hamaky tranom-barotra, voasambotry ny pôlisy 

Fahasahiana goavana ! Mpivarotra iray, tsy lavitra akory ny biraon’ny polisy tetsy Ilanivato no nokasain-dranamana hotafihana, ny harivan’ny alatsinainy lasa teo. Noraisim-potsiny … Tokony ho tamin’ny dimy ora hariva tany ho any no nahazo antso ny pôlisy fa olona mikasa hanafika ny toeram-pivarotana zava-pisotro iray, tetsy Ilanivato. Nidina avy hatrany teny an-toerana ireto farany, nanao ny fanaraha-maso izay olona hafahafa fihetsika tao amin’izany tranom-barotra izany. “Ireo polisy nanao fanamiana sivily no nandeha mialoha nitsikilo sy nijery ifotony ny zava-misy marina” hoy ny vaovao. Lehilahy iray no hitan’izy ireo nampiseho fihetsika nampiahiahy niditra ilay mpivarotra. “Rehefa tafiditra tao ity lehilahy ity dia mody nividy zavatra tao ka rehefa lasa naka ilay entana novidiany ilay mpivarotra dia narahiny. Tao no namoahany ny antsy maranitra nanambanany ilay ramatoa mpivarotra ary namereny ity farany hamoaka ny vola tao aminy”. Vantany vao niantso vonjy ilay ramatoa mpivarotra dia niditra an-tsehatra avy hatrany pôlisy, ary tsy ela taorian’izay dia voasambotra ingahirainy. “Rehefa noadiadihana ity lehilahy tratra ity dia nilaza fa misy namany hafa niray tsikombakomba taminy nanomana izao asa ratsy izao ary efa andalam-pikarohana azy ny Polisy amin’izao” raha ny vaovao azo hatrany. Marihana fa tsy nisy olona naratra na ny entana very tao anatin’izany, noho ny fandraisana andraikitra mialoha nataon’ireo mpitandro filaminana. Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny pôlisy moa ity olon-dratsy ity. Notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana sy niandrasana ny fanolorana azy eny amin’ny Fampanoavana anio. 

m.L 

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici