- Publicité -
jeudi 9 février 2023
DomicileFaits-DiversBetafo : Tokantrano roa indray voatafika

Betafo : Tokantrano roa indray voatafika

Raha toa ka nilamindamin-dratsy ny fandriam-pahalemana tao amin’ny an-tampo,tanànan’i Betafo teo aloha teo dia niverina indray izany ankehitriny. Saika ahenoana vaky trano hatrany isan-kerinandro  ka mandry tsy lavo loha ny mponina.

Ny faramparan’ny volana oktobra teo,  araka ny angom-baovao, dia tokantrano roa no lasibatry ny fanafihana. Voalohany tao Andrefantsena, tokantranon’ny mpivarotra no notafiahin’ny andian-jiolahy mirongo fiadiana, toy ny basy sy antsy lava lela. Tsy fantatra mazava ny isan’ireo nanafika fa tokony ho tamin’ny 2 ora maraina no tafiditra ny tanàna ireo jiolahy. Voambana basy izy mivady sendra an’ireo jiolahy ary nitaky vola. Tafaporitsaka tampoka anefa ny zanaka lahimatoan’izy mivady. Ity farany no niantso fokonolona ka vaky nandositra ireo jiolahy.

Mbola tao Antsinanantsena Betafo hatrany tao, Imerimandroso, dia tokantrano iray hafa ihany koa no nisy nanafika, ka vary efatra kitapo no fantatra fa tafavoakan’ireo jiolahy.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici