- Publicité -
jeudi 1 décembre 2022
DomicileFaits-DiversMorondava : Zazalahy kely 6 taona maty nisy nanolana

Morondava : Zazalahy kely 6 taona maty nisy nanolana

Zazalahy kely 6 taona no fantatra fa maty noho ny fanolanana tao amin’ny hotely fandraisam-bahiny Fanta-daza iray tao Morondava. Nikasa hilomano hiaraka tamin’ny fianakaviany ity zazalahy kely ity no izao maty izao. tsy hita tampoka teo ny nalehan’ity farany raha iny variana nisolo lamba iny ireto fianakaviany. Nikoropaka nitady azy ireto farany saingy ezaka very maina izany. Ora iray taorian’izay, vatana efa tsy misy aina intsony no no itan’ny fianakaviana nisy nitondra avy any. Nahatsikaritra zavatra hafahafa teo amin’ny vodin’ilay zaza ireo zokiny nandritra ny fotoana nampandroana azy. Nisy noho izany ny fitsirihana nataon’ny mpitsabo manoloana ny fahafatesan’ity zazalahy ity ary fantatra tamin’izany fa simba tanteraka ilay zaza noho ny fanolanana nahazo azy. Tsy nijanona tamin’izao fotsiny anefa ireto fianakaviana. Nangataka ny hijerena ny camera de surveillance tao amin’ity hotely fandraisam-bahiny ity ka tamin’izany no nahitana ilay olona nanatitra ilay zaza nifampiresaka maharitra tamin’ny teran-tany vahiny iray. Nampiahiahy ny fianakaviana ny fihetsik’ity olona nitondra ny nofo mangatsikan’ny zanak’izy ireo ity. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana ny raharaha ary efa voatazona ary ho fotorana ilay teratany vahiny raha nikasa hitsoaka vao maraina tany Morondava.

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici