- Publicité -
mercredi 7 décembre 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversAntsohihy : Jiolahy 2 mpampanofa basy ireo dahalo matin’ny zandary

Antsohihy : Jiolahy 2 mpampanofa basy ireo dahalo matin’ny zandary

Antenaina fa ity vokatra vao azon’ny zandary ao Antsohihy ity dia hampihena ny tsy fandriam-pahalemana ao amin’ny kaominina Ampandriankilandy sy ireo rahavaviny ao amin’ity distrika ity. Jiolahy miisa roa isan’ny nikoizana ary nokarohina fatratra nanomboka ny taona 2018 no lavon’ny balan’ny zandary teo am-panaovana ny asa ratsiny ny alatsinainy 7 novambra lasa teo tokony ho tamin’ny 2 ora folakandro, tao amin’ny tanàna atao hoe Andilabe, fokontany sy kaominina voalaza etsy ambony. Araka ny fantatra dia samy olona avy ao Ampandriankilandy ihany izy ireo. Ny voalohany dia antsoina hoe Zosy, 26 taona ary Gaby kosa ny faharoa izay 21 taona.

Saika hanao kolikoly

raka ny voalaza etsy ambony dia efa nokarohina ela izy ireo ka rehefa fantatra fa ao amin’io toerana io ireo olona ireo dia nidina tany an-toerana avy hatrany ny mpitandro ny filaminana izay notarihin’ny kapiteny Tobiasy, kaomandin’ny vondron-tobim-paritra Antsohihy, ka nanao ny fisamborana azy ireo. Nandritra ny fanadihadiana fohy natao azy ireo no nahafantarana fa ankoatra ny maha dahalo mpamerin-keloka amin’ny halatra omby azy ireto dia anatin’ny tambajotra mpamatsy fitaovampiadiana ihany koa izy ireo ka nahatonga ny fisavana haingana ny toerana nanafenan’izy ireo tany Andilambe ihany ny alina. Araka ny fakana am-bavany azy ireo ihany dia mbola misy basy lava miisa 03 ary basy fohy iray nampanofain’izy ireo any amin’ny kaominina ambanivohitra Maroala sy Ambalafaminty, samy distrika Antsohihy. Nentina avy hatrany izy roa lahy ireto nihazo ireo toerana voalaza ho nampanofana ny basy ka teo am-piaingana dia niangavy mafy ny Kapiteny Komandy ny vondron-tobim-paritra Antsohihy ireto farany ny mba tsy handehanana any fa hefaina vola 20 tapitrisa Ariary ireo basy 04 tavela. Izany hoe 05 tapitrisa Ariary isanisany. Tsy nanaiky izany ity Manamboninahitra ity fa nanery azy ireo mba hanoro ny toerana nanaparitahan’izy ireo ireto fitaovampiadiana.

Nikasa ny hitsoaka

Vokatr’izay tsy fanekena ny fangatahan’izy ireo ny handraisana ny 20 tapitrisa Ariary izay dia nitady hevitra hatrany ny handosirana ireto dahalo ireto. Noho ny haratsian’ny lalana dia nisy fotoana voatery nidina ny fiara ny zandary nitondra ireo jiolahy ireo tokony ho tamin’ny efatra ora maraina. Nohararaotin’ireto farany izany handosirarana. Ny fifanjevona tao anatin’izany rehetra izany no nahalavoan’ny balan’ny Zandary azy roa lahy ireto. Araka ny fantatra ihany dia 400.000 Ariary isam-bolana no hampanofan’ireto tambajotra ireto ny basy iray ka misy amin’ireo dahalo no tonga dia mandoa izany anatin’ny taona iray, toy ireto nampanofana lavitra ireto.

T.M.

Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici