- Publicité -
vendredi 9 décembre 2022
DomicileFaits-DiversAndraharo : Fiara Golf iray nifatratra tamin’ny 4X4 sy moto

Andraharo : Fiara Golf iray nifatratra tamin’ny 4X4 sy moto

Tsy nahatana familiana ity mpamily iray, nitondra Golf  Type 4 am-panjakana ka nifatratra tamin’ny fiara 4X4 iray nijanona teo amin’ny parking tranom-barotra iray lehibe teny Andraharo, omaly maraina. Tsy vitan’izay fa mbola nahadona moto amidy teo amin’ny parking io ihany koa ilay fiara voadona. Raha ny filazan’ny nahita maso ity loza ity dia nitondra alika kely ilay fiara Golf, ka votsotra sy nandehandeha tao anaty fiara ilay alika io. Variana nisambotra izany ny mpamily ka avy hatrany dia nifatratra teo amin’ilay Parking tranom-barotra lehibe fivarotana fiara ary nifandoana tamin’ilay fiara tsy mataho-dalana iray izay nijanona teo. Ilay fiara 4X4 io  voalaza fa vao avy novidiana.  Andaniny anefa, nilaza ilay mpamily  ilay fiara madinika fa tapaka « rotule » izy, ka izay antony nahatonga azy tsy nahatana ny familiana ary nifatratra teny amin’ny sisin-dalana. Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana nanao ny fanadihadiana. Misokatra noho izany ny famotorana momba ity loza ity. Tsy nisy ny aina nafoy na ny olona naratra fa ny fahasimbana kosa no betsaka. Anisan’ny voa mafy tamin’izany ilay fiara 4X4 vaovao be teny an-toerana. Vao avy novidiana izy io, saingy soa ihany fa mbola teo an-tokonana ka azo antoka fa ho voasolo avy hatrany.

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici