- Publicité -
dimanche 4 décembre 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversHain-trano teto Toamasina : Nahatratra 23 ny trano nirehitra tao anatin’ny andro...

Hain-trano teto Toamasina : Nahatratra 23 ny trano nirehitra tao anatin’ny andro iray

Tena nahazo vahana ny hain-trano teto Toamasina nanomboka tamin’ity herinandro ity. Ny andron’ny talata 8 novambra teo dia hain-trano efatra no niseho tao anatin’ny iray andro. Raha ilay tranga niseho tao Andranomadio P/elle 11/43 dia voalaza fa tsela-baratra na “court circuit” no nahatonga ny loza; voatra izany dia trano efatra no may kila forehitra nandritra izany. Nanao ny asany ny sampana mpamonjy voina fa ny olana ho azy ireo dia ny fahateren’ny lalana noho ny fanitarana tokontany ataon’ny olona ihany. Tamin’ity tranga ity dia intelo niova lalana vao tafiditra ilay toerana namonjena voina izy ireo ka izay no nahatonga ireo trano efatra kila forehitra. Ankilan’izany dia nitrangana hain-trano koa tao Tanambao Verrerie na mbola tsy vita ny fisahanan’ireo mpamonjy voina tao Andranomadio; ka vokatra izany dia tara ny fahatongavan’ny sampana mpamonjy voina nandritra izany ka tafakatra 17 be izao ny trano nandritra izany. Mbola olana teto koa ny toerana nisahanana ilay hay trano noho ny fahateren’ny toerana. Ankoatra izay dia alina ny 8 novambra ihany koa nitrangana hay trano koa tao Tanambao V tokony tamin’ny 7ora hariva. Araka ny fantatra dia trano iray no may kila niaraka tamin’ny moto jog iray. Fantatra ihany koa fa nitrangana fahamaizana tao Tanandava lalam-pirenena faha-2, nanomonjy tany an-toerana koa ny sampana mpamonjy voina, toraka izany koa ny tao amin’ny lalam-pirenena faha-5 tao amin’ny orinasa mpanao litchi tokony tamin’ny 3ora tolakandro tany ho any. Nahitana fahamaiza koa tao Depot Analakininina ny alin’ny 8 novambra io hatrany tokony ny misasakalina mahery tany ho any. Raha atao izany ny kajy dia trano miisa 23 be izao no may kila forehitra ny andron’ny 8 nvambra teo io fotsiny teto Toamasina, ka nilazan’ny mpamonjy voina sy hay trano fa tokony hitandritra ny tsirairay amin’izao andro maina be izao indrindra momba ny tsela-baratra na “court circuit” ireny. Miangavy fampitaovana koa ireo mpamonjy voina mba ahafahany manao ny asany antsakany sy andavany.

Malala Didier

Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici