- Publicité -
lundi 5 décembre 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversAnosizato Atsinanana : Nahazo kianja hanaovana fanatanjahan-tena ny mponina

Anosizato Atsinanana : Nahazo kianja hanaovana fanatanjahan-tena ny mponina

Vokatry ny nataon’ny Filohan’ny fikambanana Hafari Malagasy sy ireo mponina Anosizato Atsinanana dia nahazo kianja fanaovana fanatanjahan-tena vaovao ity fokontany ity. Voasolo ihany izany ilay kianja teo aloha izay nambaran’Andriamatoa Rafanomezantsoa Jean Nirina, filohan’ny Hafari Malagasy fa namidin’ireo olona tsy mataho-tody  tamin’ny karana. Simba tanteraka ny soatoavina sy ny fiara-hamonina tao amin’io faritra io noho ny tsy nananny kianja hanaovana fanatanjahan-tena intsony. Namabrany fa hatramin’ny nivarotana io kianja io  dia lasa jiolam-boto ireo tovolahy teo an-tanana ka niteraka alahelo mafy taminin’ireo ray aman-dreny teo an-tanàna izany. Voavaha anefa izany olana izany ankehitriny ka omaly no naseho ny mpanao gazety ity foto-drafitrasa vaovao ity. Nambara tamin’izany fa mirefy 190m  ny halavan’io toerana io ary 60m ny sakany. Efa 5 taona izay no nanombohana ny fanamboarana azy ary ezaky ny fokonolona madiodio amin’ny alalan’ny asa tanamaro fa tsy nisy mpamatsy vola. Azo lazaina fa efa eo amin’ny 8O% ny asa kasaina hatao eo no vita ankehitriny. Nambaran’ity filoham-pikambanana ity fa tsy mialonjafy ity kianja ity ka ho azon’ny rehetra ampiasaina, eny fa na dia ireo sekoly aza. Amin’ny sabotsy ho avy io no hanokafana amin’ny fomba ôfisialy azy ity. Mandritra izany dia hisy ny fifaninanana baolina lavalava.

 T.M.

Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici