- Publicité -
samedi 10 décembre 2022
DomicileFaits-DiversANALANJIROFO - Fenoarivo Atsinanana : Manomboka ny fanamboaran-dalana avy ao Morondrano mankany Saragnambana

ANALANJIROFO – Fenoarivo Atsinanana : Manomboka ny fanamboaran-dalana avy ao Morondrano mankany Saragnambana

Ho afa-pahasahiranana ! Natomboka ny herinandro lasa teo ny fanamboarana ny lalana, mampitohy an’i Morondrano amin’ny kaominina Saragnambana, samy ao amin’ny distrikan’i Fenoarivo Atsinanana. Heverina fa hitondra fampandrosoana haingana ho an’ireo kaominina, izay handalovan’ity lalana ity ny fanamboarana izao lalana atao « piste » izao ary hanala fahasarihanana betsaka ireo mponina amin’ny fivoahanan’ny vokatra. Marihana fa mirefy 21 kilaometatra izany lalana hamboarina izany ary kaominina telo, ao amin’ny distrikan’i Fenoarivo Atsinanana no hisitraka izany dia ny kaominina Vohilengo, Miorimivalana ary Saragnambana. Ny alakamisy lasa teo moa tonga nametraka ny vato fototra ary nijery ny fanombohana tamin’ny fomba ofisialin’ny asa ny Goverinoran’ny faritra Analanjirofo, ny Dr Randriamanantena Marcellin, niaraka tamin’ny Solombavambahoaka sy ireo ben’ny tanàna tany an-toerana. Marihana, araka ny fanazavana azo fa tsy mbola nanamboatra na nikitika ity lalana ity hatramin’izay fa ny Fitondram-panjakana amin’izao no izao manamboatra azy izao. Velom-bolo tanteraka araka izany vahoaka ary velom-pisaorana ny Fitondram-panjakana.  Haharitra eo amin’ny enim-bolana eo ny fanamboarana izany lalana izany, raha ny fanazavana azo ary ny orinasa Macoma no hiandraikitra ny fanamboarana. Ny tetik’asa Casef kosa no mamatsy ara-bola. « Hirariantsika ho vita soamantsara tsy misy sampona ny Lalana samy hahazo tombotsoa avy koa ny rehetra » hoy Atoa Goverinora.

Nangonin’i m.L

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici