- Publicité -
mercredi 7 décembre 2022
DomicileFaits-DiversMarovoay : Dahalo raindahiny iray maty voatifitra, iray hafa naratra

Marovoay : Dahalo raindahiny iray maty voatifitra, iray hafa naratra

Jiolahy iray indray no tsy afa-manohy ny asa ratsiny intsony any amin’iny distrikan’i Marovoay iny. Nilaza fa hanoro ny namany, izay naratra voatifitra nandritra ny fifandonana ary tafatsoaka moa ity farany, saingy nanararaotra nandositra, ka voatery nitifitra ny zandary, nahafaty azy.

Ny andron’ny alahady teo dia nitrangan’ny  fanafihan-dahalo nivaivay tao amin’ny tanàna antsoina hoe Androtra, kaominina Ankaraobato, distrikan’i Marovoay. Tokantrano efatra be izao no indray nataon’ny dahalo nirongo fitaovam-piadiana, lasibatra tamin’io fotoana io. Minitra maromaro taty aorian’ny fanafihana, rehefa nahazo antso ny zandary tao amin’ny tobim-paritra Manaratsandry dia nidina avy hatrany tany an-toerana ary nanao ny fanarahan-dia niaraka tamin’ny fokonolona tao an-toerana. Efa nampandrenesina mialoha moa ireo fokontany manodidina, hiambina ny kizo ary hanamafy ny fisafoana. Tokony ho tamin’ny mitataovovonana tany ho any, nifanehatra ny roa tonta, ireo dahalo sy ireo fokonolona niaraka tamin’ny zandary, ary raikitra ny fifandonana sy fifampitifirana. Rafitra nitsoaka ireo olon-dratsy rehefa nisy naman’izy ireo iray voan’ny bala, naratra mafy ary notarisin’izy ireo niditra ny ala mikitroka. Tsy nanaiky  anefa ireo mpanara-dia raha tsy nahatratra iray tamin’ireto olon-dratsy. Azo teny am-pelatanan’izy ireo ihany koa ny omby rehetra. Taorian’ny fanamarinana ireo taratasin’omby dia efa nomena ny tompony avy ireo. Ilay voasambotra kosa nentina nihazo ny birao hatao fanadihadiana. Nandritra ny famotorana savaravina azy no nilazany fa afaka manoro ilay namany naratra izy, izay araka ny filazany dia mbola miafina amin’ny toerana iray ao  anaty ala ao. Teny an-dalana ho any an’ilay toerana anefa no nahita hirika hitsoahana sy hanoherana ireo mpitandro filaminana ity dahalo rain-dahiny ity. Niezaka nampitandrina azy ireo zandary saingy mbola nanohy ny fitsoahany ihany ity farany, nanantena ny fahaizana ilay toerana. Nampijanona azy tamin’izany fitsoahany izany moa ny bala niantefa teny amin’ny vatany. Nomena ny fokonolona ny vatana mangatsiakan’ity olon-dratsy ity taorian’ny fitsirihana nataon’ireo mpitsabo. Mbola mandeha kosa ny fikarohana ireo namany hafa, tafatsoaka tamin’io fotoana io, any an-toerana.

m.L

Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici