- Publicité -
samedi 10 décembre 2022
DomicileFaits-DiversAnkadindravola : Mpandroba « cash point » mampiasa ranon-tsakay

Ankadindravola : Mpandroba « cash point » mampiasa ranon-tsakay

Lehilahy iray manodidina 45 taona no voasambotry ny zandary tetsy Ambohibao, Ankadindravola, ny talata lasa teo. Anisan’ireo jiolahy nikoizana tamin’ny resaka fanafihana « cash point » ingahirainy ary efa maromaro ihany ireo toerana nataony nitondra faisana tamin’izany. Ny nahavariana kely dia tsy zava-maranitra na basy no entiny manao ny asa ratsiny fa ranon-tsakay.

Araka ny fanazavana azo dia matetika izy ireo no miaraka maromaro saingy tamin’ity fotoana ity aloha, araka ny voalazan’ireo mpanao fanadihadiana dia mbola izy ihany no voatazona ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambohibao, miandry ny fanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana, ho amin’ny anio, raha tsy misy ny fiovàna. Tamin’io fotoana nahatratrarana azy io tokoa mantsy dia nisy avy hatrany ny firaisan-kinan’ireo fokonolona, izay niantso tsy nisy hataka andro ny zandary tsy lavitra teo, rehefa nampiseho fihetsika hafahafa ranamana. Fomba fiadin’izy ireny tokoa mantsy ny mitily mialoha izay hazan’izy ireo ary miezaka mahalala izay fandaraham-potoanan’ireo tompon’ny « cash point ». Tamin’io dia nandrasany tsara hirava tao amin’ilay toerana ilay vehivavy ary nohamarinina tsara fa nitondra ilay kitapo fentiny mahazatra, misy vola fampiasa ao amin’ity toerana ity. Narahiny tsimoramora nony avy eo ary nony hitany fa tsy dia be olona intsony dia nofafazany tamin’ny ranon-tsakay teny amin’ny tarehiny ary nosintominy ilay kitapo. Tsy araka ny fiheverany anefa fa nisy nahita ny zavatra natao ary poa toa izay dia nisy ny fanenjehana nataon’ireo mpitandro filaminana azy. Tsy lasa lavitra dia tra-tehaka niaraka tamin’ilay kitapo nisy vola, izay voalazan’ny loharanom-baovao fa tany ho any amin’ny iray tapitrisa ariary tany ho any. Nentina nihazo ny biraon’ny mpitandro filaminana avy hatrany moa ingahirainy ary notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici