- Publicité -
samedi 10 décembre 2022
DomicileFaits-DiversAmbohimanarina : Gadra manao « MOP », nandroba taxi-phone

Ambohimanarina : Gadra manao « MOP », nandroba taxi-phone

Lehilahy iray efa voaheloky ny fitsaràna ary tokony mbola hamita ny saziny any am-ponja no voasambotry ny pôlisy indray tetsy Ambohimanarina, raha teo am-pandrobana ireny « taxi-phone » ireny, ny alakamisy lasa teo. Araka ny fampitam-baovao azo dia manantanteraka irony asa ivelan’ny fonja irony ranamana na ilay antsoina hoe « main d’oeuvre pénale (MOP) » no izao voasambotra, nanao ny asa ratsiny izao.

Tamin’ny andron’ny alakamisy io tokoa mantsy, tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany dia mpanao taxi-phone iray no nataony lasibatra, teo Amboavahy.  « Nahatsikaritra olona hafahafa fihetsika teo akaikiny ny mpanao taxi-phone iray eny teny amin’iny faritra Amboavahy iny. Rehefa variana ilay mpanao taxi-phone dia saika noraofin’ilay olon-dratsy avokoa ny entana sy vola teo aminy ». Niantso pôlisy teo no eo ihany ilay lasibatra. Vetivety ihany koa dia tonga teny an-toerana ireo pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahenina. Tsy afa niala intsony fa dia noraisim-potsiny ity olon-dratsy ity, rehefa nifanenjehana. Nentina avy hatrany natao famotorana tany amin’ny biraon’ny kaomisaria moa, ka tany no nahafantarana fa olona mbola mbola mamita sazy ingahirainy. Tamin’ny alalan’ity « MOP » ity no nahafahany nivoaka ny fonja. Kanefa moa, tanana zatra mitsotra ny azy, ka zarany aza nahita irika mazava kely tety ivelany, namerenany nanao indray ny asa ratsiny.

Tsy ity lehilahy 26 taona ity irery anefa ! Efa firifiry izay gadra tokony hamita sazy kanefa tafavoaka ny fonja sy miverina manao ny asa ratsiny indray no voasambotra. Ary raha tsy voasambotra dia anisan’ireo voatifitra ? Saika ny ankabeazan’izy ireo dia voalaza fa nanao an’io asa ivelan’ny fonja io avokoa. Tsy efa hitan’ny tompon’andraikitra hatramin’izay ve, fa ity MOP ity no goragora loatra sy lasa varavarana midanadana hitsoahan’ireo gadra, ka tokony asiana fiheverana sy hatsaraina misimisy kokoa raha toa ka hoe zavatra tsy maintsy ilaina.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici