- Publicité -
samedi 10 décembre 2022
DomicileFaits-DiversFisolokiana amin’ny « cash point » : Karàna iray voasambotra, nanindry ireo mpanao famotorana...

Fisolokiana amin’ny « cash point » : Karàna iray voasambotra, nanindry ireo mpanao famotorana ny fikambanana misy azy

« Rehefa tsy mety hanao fifampiraharahana ianareo sy handamina ny raharaha dia tsy maninona fa aleo hiakatra. Vola kely tsinona no aloha any dia ho afaka izy ». Anisan’ny ambetin-tenin’ity fikambanana ity, tonga avy hatrany tany amin’ny biraon’ny mpitandro filaminana, raha vao nahare fa nisy iray tamin’izy ireo no voasambotra, noho ny resaka fisolokiana avo lenta, nahalasibatra ny maro tamin’ireo « cash point » ireny.

Raha ny loharanom-baovao azo, tsy latsaky ny sivy ireo antontan-taratasy fitoriana voarain’ireo mpanao fanadihadiana avy amin’ireo tompon’ny « cash point » efa nampitondrain’ity teratany karàna ity ny mangidy. Ary vola an-tapitrisany maro no efa azony tamin’ny alalan’izany fisolokiana avo lenta izany. « Manodidina ny iray tapitrisa ka hatramin’ny roa tapitrisa ariary eo ho eo foana no vola lasa, ary mazàna dia foana hatramin’ny vola ao anatin’ny findain’ilay tompon’ny tsena » raha ny fampitam-baovao azo hatrany.

Ny voalohandohan’ny herinandro tany ity olon-dratsy ity no nezahin’ireo  pôlisy nesorina teo ambany hatezeran’ny olona teny amin’iny faritra 67ha iny. Raha tsy tonga haingana izy ireo, raha ny fanazavana azo dia mety efa zavatra no hita. Efa maro tamin’ireo toerana fakàna sy fandefasana vola teny an-toerana ireo mantsy no efa natao nitondra faisana, raha ny angom-baovao azo. Ary ny somary nahatsikaiky, dia « cash point » iray, efa nahazoan’ingahirainy vola an-tapitrisany ariary tany aloha tany, no mbola saika nivereneny indray tamin’io andro io. Soa ihany, nahatadidy tsara ny tarehin’ity karàna ity ilay tompona « cash point » ka niantso mpitandro filaminana avy hatrany. Vetivety tamin’izay ihany koa dia vory ny olona nanodidina ity mpisoloky raindahiny ity ary efa saika raikitra ny fitsaram-bahoaka. Saingy niditra an-tsehatra avy hatrany moa ny pôlisy niezaka nandamina ny raharaha ary nitondra izany olona izany tany amin’ny birao. Tany moa dia zavatra hafa no niseho satria ireo mpanao fanadihadiana indray no nezahiny sy ny fikambanana misy azy notsindrina sy novonoina vorona. Raha ny fantatra dia omaly no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ingahirainy mpisoloky

Marihana, araka ny vaovao azo hatrany fa misy namany mpiray tsikombakomba aminy. Mitondra finday roa mantsy ranamana rehefa hanao ny asa ratsiny. Milaza fa haka vola, miantso amin’ny finday, maka ny mombamomba an’ilay « cash point ». Ary dia tonga soa aman-tsara, mitovy tsy misy valaka amin’ny hafatra fohy halefan’ireo orinasan-tserasera mpiandraikitra izany ny hafatra tonga amin’ny findain’ilay olona. Kanefa rehefa jerena nony avy eo ny « solde » tsy misy vola akory tonga ao, ary ny loza dia voalaza fa manjavona hatramin’ny ambim-bolan’ilay « cash point » ao anaty finday. Amin’izay fotoana izay anefa dia madio efa ela ny rano nitànan’ingahy karàna. « Vao voarainy mantsy ilay vola dia miantso taxi moto haingana ranamana, hitsoahana ».

m.L

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici