- Publicité -
jeudi 1 décembre 2022
DomicileFaits-DiversAndravoahangy : Mpanendaka gaigilahy roa voasambotry ny polisy

Andravoahangy : Mpanendaka gaigilahy roa voasambotry ny polisy

Lehilahy roa 18 sy 31 taona no voasambotry ny polisy teny amin’ny Mascar Andravohangy ny alahady lasa teo noho ny fanendahana finday teny an- toerana. Tratran’ireo polisy avy ao amin’ny kaomisaria Antaninandro ireo jiolahy mpanendaka finday izay efa nampikolay ny olona eny amin’iny faritra iny. Anisan’ny efa nazahoana fitarainana ary maro ireo olona very finday eny amin’ny faritra Andravoahangy iny na mpandalo io na ihany koa mpiantsena, indrindra moa fa ireo mponina eny an-toerana. « Tsy nijery fotsiny io zava-misy io anefa ny polisim-pirenena fa nanao ny hevitra hisamborana ireo jiolahy voakasika ao anatin’izany. Vokany, teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy ireto mpanendaka roa lahy ireo no tratra ambodiomby naka findain’olona iray », hoy ny fanazavana avy amin’ny polisim-pirenena. Tsikaritry ny mpitandro filaminana ny fihetsika hafahafa nataon’izy roa lahy ireto ka teo indrindra no nisamborana azy. Raha araka ny fantatra tamin’ny fanadihadiana nataon’ny polisy azy ireo dia tsy mponina eny an-toerana izy ireo fa avy eny Ankadindramamy sy Manjakaray no manao izao asa fanendahana amin’ny faritra Mascar Andravoahangy iny izao. Natolotra ny fampanoavana omaly izy ireo ary naiditra am-ponja vonjimaika. Araka ny fanazavana ihany, maro ireo faritra mafana amin’ny asa fanendahana no anaovan’ny polisy hetsika tahaka izao, ary nahitam-bokany. Anisan’ny faritra mafana ny eny Analakely eny amin’ny Pavillons izay maro ihany koa ny mpanendaka finday sy mpangarom-paosy. Ny eny amin’ny faritra ny 67Ha eny amin’ny fiantsoan’ny taxi-be izay tena maro ny mitaraina rehefa maraina sy ny hariva. Misy mihitsy ireo jiolahy no mahasahy miditra anaty fiara fitaterana, ary manendaka. Maro ny efa lasibatra tamin’izany, ary efa maro ihany koa ny voasambotry ny polisy. Manentana ny rehetra hatrany ny mpitandro filaminana amin’ny fanomezam-baovao satria manampy azy ireo amin’ny fikarohana sy ny hisamborana ireo jiolahy. « Ahitam-bokany hatrany ny fiara-miasa eo amin’ny rehetra. Manao izay ho afany ny polisim-pirenena amin’ny ady amin’ny asan-jiolahy eto an-drenivohitra », hoy ny fanazavana.

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici