- Publicité -
mardi 6 décembre 2022
- Publicité -
DomicileFaits-Divers67 ha Atsimo : Toherin’ny mponina ny fanorenana trano eo amin’ny « espace...

67 ha Atsimo : Toherin’ny mponina ny fanorenana trano eo amin’ny « espace vert »

67 ha1 Tenin-tsary : Mirefy eo amin’ny 300 m2 eo ho eo ity “espace vert”.

Nanapoaka baomba mandatsa-dranomaso ireo polisy mba handravana ireo mponina nitangorona nanakana ny fikasan’ny tompona sekoly tsy miankina iray eny amin’ny 67 ha Atsimo omaly tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany tany ho any. Na teo aza anefa izany dia mbola nitohy ihany ny savorovoro satria tena tsy nanaiky hiala ireo mpitokona. Ankoatra izay, nilaza ihany ko izy ireo fa tsy manaiky ity fampiasan-kery nataon’ny mpitandro filaminana ity ka tsy maintsy hanamafy hatrany ny fitakiana ny hanajanonana io fanorenana kasain’ity sekoly tsy miankina ity hatao eo amin’io toerana. Ity farany izay voalaza fa zaridainam-pokonolona na « espace vert » iombonan’ireo mponina eny amin’ity Cité 67 ha Atsimo ity. Araka ny nambaran’ny solon-tenan’ireo mponina ireo nandritra io fihetsiketsehana io dia toerana tsy azo anorenana io zaridaina io satria misy foto-drafitr’asa maro toy ny bizo fandehanan’ny rano ho fiarovana iny toerana iny amin’ny tondra-drano ao ambany ao. Tsy vitan’izay ihany fa io no mba hany toerana malalaka azo hitobiana raha sanatria misy loza toy ny haintrano. Nilaza anefa ilay tompon’ilay sekoly tsy miankina fa efa novidiany io tany io ary olon-tsotra no namarotra azy taminy ka zony ny mampiasa azy araka izay ilany azy. Nandritra ny fafandaharana teo amin’ny roatonta omaly no nanehoan’ity milaza fa tompon’ny tany fa efa nahazoany tatatasy fahazoan-dalana tamin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny fanorenana (permis de construire) kasainy hatao eo.  Nambarany moa fa sekoly no haorina amin’izany. Tetsy ankilany anefa, nanizingizina ireo fokonolona fa tsy hanaiky mihitsy ary hiady hatramin’ny farany satria mihevitra izy ireo fa misy kolikoly ao ambadik’izao raharaha izao. Efa fanindiminy amin’izao no nisy olona nikasa hanangana trano teo amin’io « espace vert » io fa tsy nahavita nohon’ny fandavan’ny fokonolona. Omaly moa dia nisy ny fanangonan-tsonia nataon’ireo fokonolona ireo ka nahatra 300 mahery no nanao izany. Io taratasy natao sonia io dia halefan’izy ireo any amin’ireo tompon’andraikitra isan’ambaratongany mba hikarohana vahaolana amin’izao raharaha izao.

T.M.

Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici