- Publicité -
mardi 6 décembre 2022
- Publicité -
DomicileFaits-DiversTaom-panondranana lodsia 2022 – 2023 : Milanja 15.000 taonina no aondrana amin’ity...

Taom-panondranana lodsia 2022 – 2023 : Milanja 15.000 taonina no aondrana amin’ity taona ity

Tao Antananambo amin’ny lalam-pirenena faharoa iny no nanokafan’ny fanjakana teto Toamasina ny taom-piotazana sy taom-panondranana lodsia tamin’ity taona 2022 – 2023 ity. Ny prefen’i Toamasina no nitarika ireo delegasionina nidina ifotony izao nandritra izany, izay nahitana ny talem-paritry ny varotra, ny talen’ny fotodrafitrasa sy ny fampandrosoana ny faritra, ny sampandraharaha ny hetra, ny ben’ny tanànan’i Toamasina ary ireo mpitandro ny filaminana mitambatra (EMMO).

Nandritra izao hetsika izao no nahalalana fa miisa roa ny sambo haka ny lodsia ifanarahana (bateau conventionnel), izay mahazaka hatrany amin’ny 5.400 taonina ny sambo voalohany sy mahazaka 8.500 taonina ny sambo faharoa, izay samy hiazo ny firenana Eorôpeana. Ireo lodsia hafa tsy tafiditra amin’izany dia miondrana amin’ny alalan’ny kaontenera mihazo ny firenen-kafa toy ny firenana arabo sy aziatika. Nambaran’ny talen’ny fotodrafitrasa sy ny fampandrosoana ny faritra fa 30 ireo orinasa nahazo alalana hanao ity fanondranana lodsia ity, ka tafiditra amin’izany ireo mpanao lodsia “primeur” izany hoe mpandefa lodsia mena amin’ny alalan’ny fiaramanidina, izay miara-otazana amin’ny lodsia fanondrana amin’ny sambo ankehitriny ihany.

Ankilan’izany dia miisa eo amin’ny 1.075 ny mpanangom-bokatra nahazo alalana sy nahavita ny taratasiny tamin’ity taona ity, izay nihena hatraminy amin’ny 300 any ho any izany tamin’ity taona ity. Noferana ho 1.300 ariary ny vidiny farany ambany hakan’ny mpanondrana ny lodsia, ka mifanaraka amin’izay koa ny vidiny any amin’ny tantsaka satria 17.000 ariary ny garaba raha 12.000 ariary ny kesika 10kgs amin’ny lodsia, izany hoe manodidina ny 1.000 hatramin’ny 1.200 ariary ny iray kilao any amin’ny tantsaha. Manodidona ny 20 ariary isaky ny kilao kosa ny tamberim-bidy alain’ny faritra atsinanana mandritra ity taom-piotazana lodsia 2022 – 2023 ity.

Ankoatra izany dia nanome toky ny mpitandro ny filaminana fa hanao  ny asany mba tsy hitrangan’ny loza, na eny an-dalana am-pitondrana ny lodsia izany, na amin’ireo andian-jiolahy mpanao fanafihana samy hafa. Miasa andro aman’alina ireo andiana mpitandro ny filaminana mitambatra 600 nahetsika mba hiala amin’ny zavatra samy hafa mety hitranga. Ilaina koa anefa ny fitandreman’ireo mpanangom-bokatra sy ireo mpamily ny fiara amin’ny fitandroana ny lalana samy hafa mba tsy hiavian’ny loza, ka hisy ny fisavana matetitetika ireo fiara mpitantra lodsia mandritra izao taom-piotazana izao.

Malala Didier

Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici