- Publicité -
vendredi 27 janvier 2023
DomicileFaits-DiversAmbatoboeny : Fanafihan-dahalo mivaivavy, zandary iray lavo, dahalo iray maty voatifitra

Ambatoboeny : Fanafihan-dahalo mivaivavy, zandary iray lavo, dahalo iray maty voatifitra

Ilay dahalo rain-dahiny maty voatifitra.

Nafampana ny toe-draharaha any amin’iny distrikan’Ambatoboeny, eo amin’ny resaka tsy fandriam-pahalemana. Tsy mikoso-maso ihany koa anefa ireo mpitandro filamina miezaka hatramin’ny farany, eny fa na dia amoizana aina mihitsy aza, mamongotra sy manao hazalambo ireo mpanao ratsy. Ny faramparan’ny volana teo tokoa mantsy dia saika nisy foana ny fifandonana teo amin’ireo zandary sy ireo andian-dahalo. Ny 29 novambra lasa teo izao, tao amin’ny tanànan’i Mahatsinjo, fokontany Anjiakely, kaominina Madirovalo, dia nisy izay fanafihana mitam-piadiana nataon’ny andian-dahalo maromaro nirongo fitaovam-piadiana. Niroso tamin’ny fanenjehana ireo zandary ary raikitra ny fifandonana. Raha ny fampitam-baovao azo dia nisy iray tamin’ireo zandary mpanara-dia no lavo an-tanim-piadiana tamin’io fotoana io, voan’ny balan’ireo malaso. Tafaporitsaka tetsy andanin’izay ireto farany. Taorian’izay, nisy avy hatrany fanampiana hery ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Sitampiky, tamin’ny fanaovana hazalambo ireto malaso ireto. Ankoatra ireo zandary tao an-toerana, nampian’ny fokonolona dia tonga nanatevin-daharana tamin’ny fikarohana ihany koa ny CSAO avy any Mahajanga. Ny zoma lasa teo, nifanehatra indray teo amin’ny tanàna antsoina hoe Antongomavo, fokontany Tsarabanja, kaominina Ankirihitra, izay samy ao amin’ny distrikan’Ambatoboeny ny roa tonta. Nisy indray ny fifandonana, rehefa nihantsy ady avy hatrany ireo olon-dratsy. Nitatatata ny basy. Tamin’ity indray mitoraka ity, lehiben’ny dahalo iray, izay nampitondra faisana faritra maro, fantatra tamin’ny anarana hoe Revato, no maty voatifitr’ireo mpanara-dia. Ity farany, raha ny fanazavana azo, dia anisan’ireo nanafika tao amin’ny tanànan’i Mahatsinjo. Azo teny am-pelatanan’ireo olon-dratsy ny omby roa nalain’izy ireo. Tsy nisy naninona kosa ireo mpanara-dia, na ireo zandary na ireo fokonolona. Tamin’io fotoana io moa, raha ny fanazavana azo hatrany dia mbola nisy sasany tamin’ireo dahalo no tafatsoaka, rehefa nahita ny namany lavo. Mbola mitohy araka izany any an-toerana ny fikarohana sy ny fanaovana hazalambo ireto olon-dratsy tafatsoaka ireto.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici