- Publicité -
vendredi 27 janvier 2023
DomicileFaits-DiversAmbatomirahavavy : Taxibe nitondra fianakaviana nivadika, ramatoa iray maty

Ambatomirahavavy : Taxibe nitondra fianakaviana nivadika, ramatoa iray maty

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tetsy Ambodisaha, kaominina Ambatomirahavavy ny harivan’ny alahady lasa teo. Fiara fitateram-bahoaka, nitondra olona maromaro no nivadibadika, teo amin’izany toerana izany. Vokany, vehivavy iray no namoy ny ainy ary zaza iray naratra mafy.

Tokony ho tamin’ny fito ora hariva tany ho any, tao anatin’iny oram-be nikija teo an-drenivohitra sy ny manodidina iny no niseho ny loza, araka ny angom-baovao azo. Olona am-polony tany ho any no tao anaty fiara, izay saika fianakaviana avokoa, avy nitsangantsangana tao Ambatomirahavavy. Vokatry ny fandehanana mafy, eny fa na dia teo ihany aza ny fitohanan’ny fifamoivoizana ho an’ireo fiara handeha aty an-drenivohitra, no antony nahatonga ny loza. Nanampy trotrak’izany ny oram-be, ny toerana maizina sy ny lalana malama. Raha ny voalaza mantsy dia toa hoe maika hamonjy fodiana aty an-drenivohitra ilay taxibe nofaina nitondra azy ireo ka somary nanitsaka ihany ny mpamily. Nisy fotoana aza, raha ny filazan’ireo nanatri-maso, tsy nijanona tao anaty ny fitohanana izy ireo fa niezaka nisongona foana. Noho izay fahamaikan’ny mpamily izay, nisy fotoana tsy voafehin’ity farany intsony ny fiara nentina ary tafavoaka ny lalana, latsaka tao anaty tatatra ary nivadika. Niezaka namonjy ireto olona tra-doza ireto avokoa ireo izay nahita. Tonga teny an-toerana ny zandary izay niasa tsy lavitra teo. Olona roa no fantatra fa tena naratra mafy, vehivavy iray niaraka tamin’ny zanany kely amam-bolana. Ireo sisa kosa, tsy dia naninona loatra. Nezahina nentina nihazo toeram-pitsaboana avy hatrany moa ireto farany. Avotra soa aman-tsara ilay zaza, saingy ilay reniny kosa, raha ny angom-baovao, no tsy tana intsony ny ainy, nony tonga teny amin’ny hôpitaly. Nandray an-tanana ny raharaha ary nanokatra avy hatrany ny fanadihadiana moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana teny an-toerana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici