- Publicité -
vendredi 27 janvier 2023
DomicileFaits-DiversFanaparitahana rongony mahery vaika : Vehivavy efa avy nigadra mbola tra-tehaky ny pôlisy...

Fanaparitahana rongony mahery vaika : Vehivavy efa avy nigadra mbola tra-tehaky ny pôlisy ihany

Tanana zatra mitsotra ! Ny taona 2021 teo no vao namita ny saziny mahakasika ny resaka fanaparitahana sy fivarotana rongony mahery vaika ity vehivavy ity. Ny herinandro lasa teo anefa, vaosambotry ny pôlisin’ny Stup indray ikala, noho izay resaka izay ihany, tetsy Tsiazotafo. Araka ny fampitam-baovao azo, efa tonga teny am-poto-tsofin’ireo mpitandro filaminana ny fisiana olona misehatra tamin’ny fivarotana zava-mahadomelina mahery vaika teny amin’iny faritra Tsiazotafo sy ny manodidina iny. Nidina ifotony nanao ny fanaraha-maso sy ny fanangonam-baovao ireo mpitandro filaminana ireto ka tsikaritra tamin’izay tokoa ny fisiana trano iray izay nahitàna olona mifamezivezy. « Natao ny vela- pandrika ka nisy lehilahy iray nivoaka avy ao amin’ilay trano voalaza. Niroso tamin’ny fisavana azy ny pôlisy ary nahitana « metamphetamine » teny aminy miaraka amin’ ny fitaovana fihinana azy (bang, briquet , …) ». Nambaran’ity lehilahy ity fa tao amin’io trano io tokoa no nividianany izay zava-mahadomelina izay. « Niditra tao avy hatrany ny polisy ka vehivavy roa no tra tehaka tao. Rehefa nosavaina dia nahitana « metamphetamine » 20 fonosana kely milanja 8,800g. Nahitana ihany koa fitaovana fihinana izany toy « tuyau » miisa telo, « briquet » miisa 10, « bang » telo, mizana elektrônika iray, « chichas » iray, hety iray fanapahana azy, « tube » telo. Amidy 150000-30000ar ny gramma. Eto andrenivohitra no fividianany ka 10g no novidiany izay 150000ar ny andraisany ny grama iray » hoy ny fampitam-baovao azo. Mpivarotra ny iray tamin’ireto vehivavy ireto ary irakiraka sy mpitady mpanjifa kosa ny iray. Samy nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny pôlisy, hanaovana famotorana moa izy telo ireto. Taorian’ny fanadihadiana azy dia natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ary samy nadoboka am-ponja vonjimaika avokoa.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici