- Publicité -
mardi 7 février 2023
DomicileFaits-DiversOniversiten’i Toamasina : Napetraka ofisialy ny filoha « fahavalo »…

Oniversiten’i Toamasina : Napetraka ofisialy ny filoha « fahavalo »…

Tontosa ny sabotsy 03 desambra teo tao amin’ny « demi-tonneau » Barikadimy ny lanonana fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny filoha vaovao ny Oniversite, Atoa Razanakolona Diny, sy ireo lehiben’ny departemanta misy eo anivon’ity oniversite ity isan’izany ny sojabe ny sampam-pianarana misy eo anivon’ny Oniversite Barikadimy.   

Zava-dehibe telo no loha-laharana ho an’ny filoha vaovao amin’izao fametrahana azy izao, dia ny fametrahana ny filaminana maharitra eo anivon’ny oniversite hialana amin’ny fitokonana lavareny, ka hisy ny fifampiresahana eo amin’ny mpianatra sy fikambanan’izy ireo ho ataon’ny filoha vaovao. Eo koa ny fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana eo anivon’ny oniversite amin’ny sampam-pampianarana samy hafa, ary ny fametrahana ny filan’ny faritra ara-mpanabeazana sy arak’asa. Izay no antony nananganana ireo sampampianarana vaovao maromaro eo anivon’ny oniversite Barikadimy, toy ny sekoly ambony mampihofana ny politechnique, izay hamokatra injeniera sy teknisiana ; hisy mantsy ao aminy ny fampihofanana momba ny « genie civile » – « procédé environnementale »… Ny fampianarana ny teny sinoa amin’ny fisian’ny centre « confucius », izay notokanana ny sabotsy 03 desambra teo ny trano natokana ho azy ireo.

Nambaran’ny ramatoa minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa nandritra ity lanonana ity, fa efa nanao ezaka ny fanjakana nandray mpampianatra vaovao 200 izay tohiny efa natao ny taona lasa niisa 200, ary mbola hisy koa ny taona ho avy handraisana mpampianatra 200 hafa ihany koa. Fanamby napetraky ny minisitera koa ny famerenana ny tambin-karama “technicité” ho an’ny mpandraharahan’ny oniversite manerana ny nosy. Nisy koa ny fanolorana “tableau blanc” 16 entina nahatsarana ny kalitaon’ny fampianarana avy amin’ny minisitera, ankoatra ny “écran plat” mba ahafahan’ny mpianatra manaraka ny zava-misy amin’ny fahitalavitra indrindra ny lalao eran-tany ny baolina kitra. Nisy koa ny fanokafany ny taom-pianarana oniversitera 2022 – 2023, ka nisy ny fampianarana nentina profesora iray nanazavany ny hoe “les universités…au service de développement”

Ankoatra izay ny fitokonana ny tsangam-baton’ny faha-45 taona nijoroan’ny oniversite teto Toamasina, 1977 – 2022. Làlana maro no efa nodiavin’ny oniversiten’i Toamasina Barikadimy nandritra izany, ka rektiora voalohany tamin’izany Atoa Tsizaraina Emile, ary ny filoha “fahavalo” farany amin’izao Atoa Razanakolona Diny. Nifandimby tao amin’ity oniversite ity izany ny rektiora sy ny filoha arakaraka ny zava-misy sy ny fanovana nentina. Ny hita sy tazana amin’izao efa antitra ireo foto-drafitrasa natsangana tamin’izany ankehitriny, ka ilaina ny fanavaozana azy tahaka ny fanamboana trano ho an’ny mpianatra mandranto fianarana eny Barikadimy eny.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici