- Publicité -
vendredi 27 janvier 2023
DomicileFaits-DiversTsenan’Anosibe : Mampiteny ny moana ny firongatry ny tontakely

Tsenan’Anosibe : Mampiteny ny moana ny firongatry ny tontakely

Saika mitovy avokoa ny fomba fiadin’izy ireo, raha ny eo Anosibe, indrindra fa io manomboka eo amin’ny tetezana ka hatreny amin’ny tsena io. Mody mifangaro amin’ireo mpiantsena sy ireo olona maro eny an-toerana izy ireo. Miezaka mitily izay ho hazany ary manaraka tsimoramora an’ilay fiara na mitakosona mihitsy aza. Ilay fiara, mazava ho azy fa zara raha mandeha noho ilay fitohanana. Toy ny tselatra ny hangalàny izay zavatra efa nokendreny tany aminao. Rehefa tsy azony, arahaba soa, arahaba tsara fa mody mandeha tsy taitra toa ireny olon-drehetra ireny ilaikary. Fa rehefa mahazo kosa dia poa toa izay ihany koa dia tsy hita, mifangaro anaty olona any. Raha ny omaly, ankevitry ny efa voatilin’ireto mpitandro filaminana ity tontakely ity ka nandrasana fotsiny ny hanaovany ny asa ratsiny. Iny izy handeha hitsoaka, vao nahazo ilay firavaka iny no voasintona ihany koa ary voapaingotra ara-bakiteny. Tsy afa-nikofoka intsony, teo anatrehan’ireto mpitandro filaminana roa lahy. 

Efa mampiaiky volana ny rehetra tokoa raha ny ataon’ireo tontakely eny amin’iny faritra Anosibe sy ny manodidina iny. Manararaotra ny fahateren’ny lalana sy ny fitohanan’ny fifamoivoizana misy eny ry tsivalahara. Manendaka ankitsirano izay olona sendra azy ireo, indrindra moa fa ireo mpandeha anaty fiara, na fiara tsotra izany na fiara fitateram-bahoaka. Na izany aza, tsy Anosibe irery ihany, fa saika manerana ireo tsena sy toerana be olona eto an-drenivohitra. Indrindra fa ankatoky ny fety isika izao, … manao izay faraheriny hitadiavam-bola amin’ny ratsy, hanaovana fety ihany koa ry zalahy !

m.L

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

Ils ont dit

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici