- Publicité -
mardi 7 février 2023
DomicileFaits-DiversTrafikana zaza varira : Olona enina voasambotra tao Ihosy

Trafikana zaza varira : Olona enina voasambotra tao Ihosy

Raha ny feo nandeha dia voalaza fa nahatratra hatrany amina miliara maromaro tany ny saika nivarotan’ireto tsy valahara ity zaza varira, na « albinos » ity. Soa ihany, nisy ny fandraisana andraikitr’ireo haingana nataon’ireo mpitandro filaminana, nahatratrarana azy ireo.

Hatreto, olona enina no fantatra fa voasambotry ny pôlisy avy eo anivon’ny kaomisarian’Ihosy, noho ity resaka fakàna an-keriny sy trafikana zaza varira ity. Mbola misy hafa miriaria any fa efa eo am-panamboarana ny paik’ady rehetra, hikarohana sy hisamborana azy ireo tompon’andraikitra. « Niainga tamin’ny fahitàna zaza varira niaraka tamin’ny olona nampiahiahy, tsy lavitry ny tobim-piantsoana tao Ihosy ireo pôlisy nanao fisafoana, ny voalohandohan’ny herinandro teo » hoy ny fanazavana azo. Teo anatrehan’ny zava-nisy, fa indrindra ny nampirongatra ny fangalarana ireny zaza ireny dia tsy nisalasala nanatona ireto olona ireto ireo mpitandro filaminana. Olona efatra izy ireo niaraka tamin’ity zaza ity, tokony ho 5 taona eo ho eo, araka ny fampitam-baovao. « Vantany vao nahatazana ny pôlisy nanatona azy fotsiny anefa ireto olona ireto, avy hatrany dia nanao tari-dositra, nitsoaka ». Raikitra ny fanenjehana azy ireo ka ny telo tamin’ireto farany no voasambotra sy tsy afa-nikofoka intsony. Ilay olona iray kosa, izay niezaka nitondra ilay zaza no tafaporitsaka, ary tsy hita tany nanjavonana teo. Nentina nihazo ny kaomisaria aloha ireo oloan telo voasambotra. Notanana ho amin’ny famotorana azy ireo. Tetsy andanin’izay kosa, tsy nitsahatra ny nikaroka sy nanao sahavao ny manodidina ireo pôlisy hikarohana ilay tafatsoaka. Nisy vokany ihany izany nony farany fa «hita tsy lavitra teo ilay zaza varira izay navela irery tao anaty ala » hoy ny vaovao. Nisesisesy ihany koa ny fisamborana taorian’izay, ankoatr’azy telolahy ireto, ary ireo tafakatra enina io amin’izao fotoana izao. Raha ny vaovao nomen’ny pôlisy moa hatreto dia nilaza fa « efa noraisina an-tanana ilay zaza, izay tsy mbola fantatra hatreto ny ray aman-dreniny ». Ny angom-baovao azo avy any an-toerana no nahafantarana fa avy any amin’iny faritra Mahasoabe iny izany zaza izany no nalain’ireto olon-dratsy ireto. Tsy mbola fantatra kosa na saika ho entina aiza na ho aiza. Mbola eo am-panaovana fanadihadiana lalina ny tompon’andraikitra, raha ny vaovao azo hatrany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici