- Publicité -
dimanche 26 mars 2023
DomicileFaits-DiversMananara Avaratra : Mitohy ny fanamboaran-dalana

Mananara Avaratra : Mitohy ny fanamboaran-dalana

Ny voalohan’ny herinandro teo, tonga nanokatra ny fanambohan’ny asa fanamboaran-dalana any amin’iny distrikan’i Mananara Avaratra iny ny Goverinoran’ny faritra Analanjirofo, ny Dr Marcellin Randriamanantena, niaraka tamin’ireo tompon’andraiki-panjakana tany an-toerana. Tao amin’ny fokontany Ambodivohitra no nanantanterahana izany. Lalana mampitohy an’i Mananara Avaratra sy Sakandratsy moa ity havaozina ity ary ireo « points noirs » amin’izany lalana mirefy 37km izany no tena asiana fanatsaràna, araka ny fanazavana azo. Kaominina dimy no hahazo tombony amin’ny fahavitan’izany lalana izany, Sakandratsy, Ambatoharana, Antanambaobe, Antananivo, ary Analanampotsy. « Tamin’ny fahatongavan’ireo « engins » avy tany  Maroantsetra, eto Mananara Avaratra no entina hanarenana ity lalana tena potika tanteraka mankany Sandrakatsy ity. Araka ny fanentanana natao dia samy mitondra ny anjara birikiny ny tsirairay satria ny tao-trano tokoa tsy efan’irery ary ny fifanomezan-tanana no tena zava-dehibe » hoy ny fanazavana azo. Marihina fa efa misy ny fampanantenana avy amin’ny Ministeran’ny Asa Vaventy ny hanamboarana ny tetezana Saharamy amin’ny taona ho avy iny. Tetezana izay tapaka simban’ny ranobe folo taona lasa izay.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici