- Publicité -
mercredi 29 mars 2023
- Publicité -
DomicileFaits-DiversSeranam-piaramanidina : Mitohy ihany ny fangalàrana entan’olona

Seranam-piaramanidina : Mitohy ihany ny fangalàrana entan’olona

Efa betsaka ny fitarainana nefa dia mbola betsaka koa ny voaroba entana. Isan’ny faramparany ny fisian’ny mpandeha iray izay ho any frantsa rehefa niala teto an-tanindrazana.  Zara raha nisy dimy kilao sisa ny entana tonga tamin’ny 23 kilao izay tao anaty valizy. Tsy dia nisy zavatra be anefa fa dia ny akanjo sy ny kiraro no tena nanjavona tao. Nisokatra ny « cadenas » ary simba ny valizy. Izay no tsikaritry ny tompony rehefa tonga tany amin’ny tany nalehany ka naka ny entana teo amin’ny seranam-piaramanidina. Rehefa mitranga ny toa izao dia mifanilaka hatrany ny samy seranam-piaramanidina izay nandalovan’ny entana ary na misy aza ny taratasy fitoriana dia voarirarira eny fotsiny ny olona voaroba. Indraindray raha mivantana amin’ny kaompaniam-pitaterana ny fitoriana izay tsy maintsy ampandalovina ny mpitandro ny filaminana, tsy manolo ny very akory izy ireo fa fihenam-bidy kely amin’ny fandraisana ny zotrany amin’ny manaraka no omeny. Midika izany rehetra izany fa na efa dradradraina matetika aza ny fampiasàna teknolojia eny anivon’ireny seranam-piaramanidina ireny, mbola misy ihany ny halatra. Mampiasa saina hatrany ny fandehanana zotra iraisam-pirenena, indrindra raha be entana sy mitondra zavatra saro-bidy. Ao ny olona no maka fepetra dia manamafy ny hidin’entana amin’ny famonosana ny valizy amin’ny plastika be. Iny koa anefa mbola olàna rehefa hila vaniny ny eo amin’ny tompon’andraikitry ny fitaràfana ka milaza ny tsy maintsy ny hamahàna ny entana mba hosavaina. Mazava hoazy fa dia vola very fotsiny indray ny famonosana. Mbola olana iray izay sedrain’ny mpandeha ity halatra amin’ny entana ity ary mba tokony manana zo izy ireo ny mangataka ny horonan-tsary ary mendrika ny hanokafana fanadihadiana lalina fa tsy hoe arirarira fotsiny.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici