- Publicité -
mercredi 29 mars 2023
- Publicité -
DomicileFaits-DiversHala-jaza : Vehivavy iray nosamborin’ny pôlisy tao Miandrivazo

Hala-jaza : Vehivavy iray nosamborin’ny pôlisy tao Miandrivazo

Zazavavy kely 10 taona no notazomin’ity ramatoa ity an-keriny. Tsy vitan’izay anefa fa mbola hampiharany herisetra ihany koa. Voasambotry ny pôlisy tao Miandrivazo izany ramatoa izany, ny voalohandohan’ny taona teo, tao Mangaroa, Anjiajia.

Niainga tamin’ny fahafantarana herisetra mihatra amina zaza tsy ampy taona tao an-toerana ny fanadihadiana rehetra, nahafantaran’ireo pôlisy fa ny fisian’ity resaka hala-jaza ity.  « Angom-baovao no nahafantarana ny fisiana zazavavy kely 10taona izay hiaran’ny herisetra ao Mangaroa Anjiajia. Nidina avy hatrany teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana nijery ny zava-nisy ary nitondra ilay vehivavy voalaza fa manao herisetra sy ilay zazavavy hiaran’ny herisetra teny amin’ny biraon’ny Polisy any an-toerana nanaovana fanadihadiana » hoy ny fampitam-baovaon’ny pôlisy.

Nandritry ny fanadihadiana no nilazan’ilay ankizivavy kely fa « tsy reniny niteraka azy io mitaiza azy io fa mpiara-miasa amin’ny ray aman-dreniny. Matetika dia vonoiny ity zazavavy kely ity, indrindra moa raha vao mitady vonjy amin’olona noho sady sakany tsy hanao izany ». Ny filazan’ilay ramatoa anefa dia mifanohitra tanteraka amin’ny fanambaran’ilay ankizy. Teo no nanao fanadihadiana lalina ireo pôlisy ary nitady izay tena ray aman-drenin’izany zaza izany. Fantatra tokoa taorian’izay fa  zaza nangalarin’ilay ramatoa ity zazavavy kely ity, araka ny fampahafantarana sy ny fiaraha-miasan’ny zandary tao Anjiajia sy ny pôlisy. Na izany na tsy izany aza anefa, mbola manohy ny famotorana mahakasika izany raharaha izany ny teo anivon’ny pôlisy. Ilay ramatoa, voarohirohy tamin’ity resakaz hala-jaza ity kosa dia mbola notanana natao andrimaso, mandram-piandry ny fanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici