- Publicité -
mercredi 29 mars 2023
- Publicité -
DomicileFaits-DiversAnalanjirofo - Maroantsetra : Tonga nankahery ary nitondra fanampiana ireo kaominina traboina...

Analanjirofo – Maroantsetra : Tonga nankahery ary nitondra fanampiana ireo kaominina traboina ny Goverinora

Tsy nijery fotsiny ireo traboina ny Goverinoran’ny faritra fa tonga nankahery sy nitondra fanampiana ho azy ireo.

Ny tao amin’ny kaominina Anjanazana, distrikan’i Maroantsetra, no nanombohan’ny Goverinoran’ny faritra Analanjirofo, ny Dr Randriamanantena Marcellin, ny fitsidihana sy ny fitondrana fanampiana ny alahady lasa teo. Ity kaominina ity, raha tsiahivina, dia isan’ireo nitondra taikatra goavana tamin’ny fandalovan’ilay rivodoza Cheneso farany teo. Tratran’ny ranobe ny tanana maro tao anatin’izany kaominina izany ary maro dia maro araka izany ireo traboina. Notolorana fanampiana izy ireo ka nomena ireo kojakoja sy ireo fitaovana ilaina andavanadro. Nomena fitaovam-pianarana ireo ankizy ary tsy hadino ireo fanadiovana rano fisotro mba hisorohana ireo aretina mety hateraka ny loto. « Izahay no tonga androany fa mbola ho avy aty hitsidika sy hitondra fanampiana ho anreo ihany koa ny Filoham-pirenena. Tsy irery anareo fa eo ambanimason’ny Fitondram-jankana » hoy Atoa Goverinora. Faly dia faly moa ny vahoaka ary nisaotra ny fitondram-jankana tamin’ny alalan’ny Ben’ny tanànan’izy ireo. « Porofo mitohaka amin’ny tendany izao fanampiana hoentinareo izao » hoy izy. Nampanantena ihany koa ny Goverinora fa « hanampy azy ireo amin’ny fanomezana tafo fanitso hoan’ny sekoly simba ary mbola hanome jiro mandeha amin’ny heriny masoandro ihany koa ho an’ny kaominina ambanivohitra Anjanazana ».

m.L

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici