Teratany indopakistanais mivady izay nitaingina fiara tsy mataho-dàlana raitra no nandona olona tetsy Ankadifotsy. Tsy nijanona izy ireo fa nanohy ny diany. Fiara izay tao aoriana ka nahita ny zava-nitranga no nangoraka ary nanaraka azy ireo avy hatrany. Efa nampaneno « klaxon » lavareny ireo mpanaraka mba hampijanona fa tsy nandaitra izany. Teo amin’ny sampanana hiditra ny water front etsy Ambodivona no nisy nalalaka kely ary voatery nosongonana ka nobahanana ny làlana. Teo vao nijanona izy mivady. Nampahafantarina azy ny zava-niseho kanefa nodian’izy ireo fanina. Teo no niantso mpitandro ny filaminana izay akaiky ny olona ary ireo no nitondra azy mivady tany amin’ny biraon’ny mpitandro ny filaminana. Ny olana tao anatin’ity raharaha ity dia efa tsy teo intsony ilay olona naratra tamin’ny fotoana niverenana teny an-toerana. Ny tany amin’ny polisy koa dia tsy nisy olona tonga ka nametraka fitoriana. Talanjona ireo nanenjika fa fotoana fohy taorian’ny nahitàn’izy ireo ny mpivady izay nentina tany amin’ny mpitandro ny filaminana dia efa hita niriariana teny an-dàlana indray izy ireo. Tsy vitan’izay aza fa nenjehiny indray sady nanaovany vava ireo nitoroka sy nanenjika tany am-boalohany. Sady vitavita hoazy izany no nahazo hery ka nahatsapa tena ho tsimatimanota ny sasany.
D.R