- Publicité -
mercredi 29 mars 2023
- Publicité -
DomicileFaits-DiversClémence Raharinirina : Herintaona sazy mihantona indray

Clémence Raharinirina : Herintaona sazy mihantona indray

Nandeha omaly teo amin’ny fitsaràna ady heloka tsotra ny raharaha famoriam-bahoaka tsy nahazoana alalana notarihin’ny mpanolotsain’ny tanàn’Antananarivo, Clémence Raharinirina. Voasazy herintaona sazy mihantona indray ny tenany. Toe-javatra efa tsy mampihetsi-bolomaso azy intsony, satria tamin’ity fitondrana ity dia izy ny olona natao fanadihadiana sy notsaraina betsaka indrindra. Fitsarana faha-11, raha totaliana, no nahazo azy nanomboka ny taona 2019 ka hatramin’izao. Toy ny mahazatra dia hampiakatra fitsarana ambony ny voakasika. Raha tsiahivina fohy dia nosamborina teo Ankorondrano izy rehefa nolazaina fa hamory vahoaka hizotra ho eny amin’ny lapan’ny tanàna etsy Analakely. Tsy vitan’izany fa nivadika ho fanohintohinana ny filaminana anatiny ny nanenjehana azy. Ho an’i Clémence Raharinirina anefa dia tsy izany velively no natao fa famoriana ny mpamily fiarakaretsaka mba hitaky ny zony. Vao tsy niteha-tany akory ny tongony, raha hivoaka ny fiara, dia efa nosamborin’ny mpitandro ny filaminana manao saron-tava ary nentina natao fanadihadiana. Ny harivan’iny ihany dia afaka nody ary tsy nampihemotra azy izany rehetra izany tamin’ny fanehoan-kevitra tamin’ny haino aman-jery. Ny ampitson’iny ihany izy dia efa nipoitra ary naneho ny heviny. Saika efa vita avokoa izany ny raharaham-pitsarana mahakasika an’ity mpanao gazety teo aloha ity ary azo heverina fa tsy nisy nahavoa azy izay niainga rehetra. Fitoriana izay nifandimby, na avy amin’ny kaominina na avy amin’ny mpanolotsaina. Nisy koa anefa tao anatin’izany ny niafina tamin’ny hoe fitorian’ny fampanoavana (ministère public), fomba fiadin’ny manam-pahefana sasany izay tsy sahy ny mipoitra io. Nandritra ny efa-taona izay ny fiainan’ity ramatoa ity dia ny raharaham-pitsarana angamba no tena nibahana. Izay hetsika nataony, na ny fanehoan-keviny dia saika nanenjehana azy avokoa. Hatramin’ny fivoriana notarihiny dia feno mpitsikilo mitatitra avy hatrany ny feony. Izany hoe notadiavina avokoa izay fomba rehetra hampidoboka azy.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
311,259FansAimer
1,754AbonnéesSuivre
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UNE RÉPONSE

Veuillez saisir votre commentaire !
Veuillez entrer votre nom ici