- Publicité -
mercredi, septembre 24, 2025
AccueilFaits-Divers25 septambra : Hampiakarina eto Tanà hatramin’ny zazavao

25 septambra : Hampiakarina eto Tanà hatramin’ny zazavao

Manahy mafy tanteraka ny eo amin’ny sehatry ny fiadidiana ny fandriam-pahalemana sy ny filaminana manolona ny hetsika hitranga rahampitso. Eto an-drenivohitra, ho an’ny alin’ny alarobia dia efa misy tompon’andraikitry ny toby nanome baiko fa mijanona tsy mahazo mivoaka ao intsony ny miaramilany. Ny alakamisy koa dia torak’izany. Na iza na iza dia « consigné » avokoa ary indimy isan’andro ny fampivondronana sy ny fanamarinana hatao. Tsy izay ihany fa nampiakarina eto Tanà avokoa hatramin’ireo izay mbola manaraka fampianarana any anaty sekolin’ny mpitandro ny filaminana. Isan’izany Antsirabe, Ambositra ary Moramanga. Toraka izany koa ireo any amin’ny toby maro izay tsy dia lavitra ny faritra Analamanga. Faran’izay avo araka izany ny ambana, raha araka ireo fepetra noraisin’ny mpitandro ny filaminana ireo. Etsy ankilan’izay, mitohy ihany ny fifampihantsiana maro isan-karazany eny amin’ny tambajotra sosialy ary ny tsikaritra dia efa mamaly koa ireo olona ambony eo amin’ny fitondràna ary mitovy lenta amin’ny ataon’ny andaniny ihany ny famaly. Mifampihantsy tanteraka ary toa vao mainka mandrehitra ny fikasàn’ny mpanara-baovao maro ny amin’ny raharaha 25 septambra. Tsy misy afa-tsy io ny resaka eny amin’ny tambajotra sosialy ary na ny fanodikodinan-tsaina amin’ny resaka vetaveta aza dia tsikaritra ho tsy misy miraharaha sy manaraka firy intsony, satria ao amin’ny raharaha 25 septambra avokoa ny maso sy ny fanehoan-kevitry ny olona. Ny eo anivon’ny fanoherana indray dia mbola manentana fa hetsika tsotra no hatao fa tsy mizotra any amin’ny fanimbàna fananan’olona. Ho voafehy ve ny maro an’isa izay efa nisotro ranom-potaka nandritra ny taona maro sy tsy nisasa raha tsy indray na indroa isan-kerinandro ary miaina amin’ny maizina mandavan-taona kanefa mandoa faktiora ara-dalàna, raha toa ka tena ho tonga hamaly ny fiantsoana ? Hangotraka tanteraka Antananarivo ny alakamisy izao raha toa ka tena ho avy ny olona leo delestazy.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

  1. Commenter :misy milaza we olombitsy,tsy mahatarika olona,nefa may volontratra tanteraka,tsy tapaka mihintsy ny jiro 2 andro zay fa tsy mahasakana ny olona zani,aleo ampahatsiahivina ny mpitondra fa nampindramina azy ny fahefana ary tsy anazy irery ity firenena ity,

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici