- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-Divers26 jiona : Haraha-maso manokana ny « bar » eto Antananarivo

26 jiona : Haraha-maso manokana ny « bar » eto Antananarivo

« Tsy azo atao ny mivorivory manao fety. Hisy ny polisy  hanara-maso ireo toerana firevirevena toy ny eny by-pass, Masay, boulevard de l’Europe ary toeran-kafa koa », raha araka ny fampitam-baovaon’ny polisim-pirenena. Izany fepetra izany, dia hampiharina amin’ny andron’ny fankalazana ny fetim-pirenena, ny 26 jiona hoavy izao. « Polisy 1000 no hahetsika ho an’Analakely sy ny manodidina azy. Hisy koa ny fiaraha-miasa amin’ny Tafika sy ny zandary ; izay mivondrona amin’ny rafitry ny mpitandro ny filaminana Emmo-Reg », raha ny fanampim-baovaon’ny polisy hatrany. Ankoatr’izay, dia miasa avokoa ireo kaomisaria sy paositry ny polisy rehetra ary ny sampan-draharaha hafa dia manohy ny asa fanaony andavanandro. Izany hoe mandray fitoriana sy fitarainana toy ny andavanandro ihany ny birao rehetran’io vondron’ny mpitandro ny filaminana io.Anisan’izany koa ny polisy misahana ny fanaraha-maso ny sisin-tany. Etsy an-danin’izay dia mitovy ny fampanajana ny fepetra izay noraisina momba ny hamehana ara-pahasalamana, toy ny fanasaziana ireo tsy manao saron-tava na koa ny fanakatonana ny toeram-pivarotana rehetra rehefa tonga ny ora voatondro ary indrindra koa ny fandrarana ny fivorivoriana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici