“Malagasy miray hina, Madagasikara mandroso”, izay no lohahevitra noraisina tamin’ity taona 2023 ity, notapahan’ny mpitondra Malagasy. Nandray anjara mavitrika nandritra izany amin’ny mahafetin’ny tafika Malagasy izany koa ireo andian-tafika samy hafa, nahita ny miaramila, ny zandary, ireo polisim-pirenana, ny fadintseranana, ary ireo mpiasan’ny rano sy ny ala. Niisa 421 izy ireo nandray anjara nandritra ity matso teto Toamasina I ity. Maro be ihany koa ireo mpianatra nandray anjara tamin’ny matso teo amin’ny 2.200 tamin’ny sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana 40 avy amin’ireo boriborintany dimy eto Toamasina. Nandray anjara feno koa ireo antoko politika nahitana ny Tgv, ny Tim, ny Mts, ny Arema, ny Fimami, ary Hiaraka isika. Teo ihany koa ireo fikambanana samy hafa sy ireo mpanao vakodrazana ary ireo mpanao fanatanjahantena samy hafa; teo koa ireo orinasa miasa eto Toamasina. Nisaotra sy niarahaba ny vahoakan’i Toamasina niatrika izao matso izao ny governora, na vitsy ihany aza ireo tonga teny amin’ny araben’ny fahaleovantena. Enga anie ho samy hanatanteraka ilay teny filamatra noraisina tamin’ity taona ity ny rehetra, satria ny firaisankina ihany no hery ampandrosoana an’i Madagasikara, tahaka ny filamitry ny faritra “miara-madroso amin’ny taranaka”. Isan’ny niatrika izao fetin’ny fahaleovantena Malagasy teto Toamasina izao ny depiote telo mianadahy notarihan’ny filoha lefitry ny antenimieram-pirenana, ny prefen’i Toamasina, ny governora, ny ben’ny Tanana, ireo lehiben’ny andian-tafika, ary ireo talen’ny sampan-draharaha ara-panjakana misy eto Toamasina; Tazana teny ihany koa ireo masohivoho miasa sy ny monina eto Toamasina. Ankoatra izay dia maro no kivy tamin’ilay afomanga teto Toamasina, satria nolazaina fa adiny iray izany nefa afomanga nalefa tsirairay no zava-nisy. Na izay maro ny faly tamin’ny fahazoana izao afomanga izao.
Malala Didier