- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-Divers2AM Asandratsika Avo Madagasikara : Fampiahavanam-pirenena

2AM Asandratsika Avo Madagasikara : Fampiahavanam-pirenena

Tontosa ny fifampiarahabana tratry ny taona 2014 teo amin’ny 2AM na ny fikambanana Asandratsika Avo Madagasikara. Tamin’ny sabotsy lasa teo no nanaovana izany. Ny lahateny nifampirariana dia niompana tamin’ny fanabeazana ny olom-pirenana sy ny fanajana ny soatoavina malagasy. Amin-dry zareo, tsy ilaina intsony ny adilahy politika, satria lasa ambin-javatra ny valala tsy mandady harona. Antso no ataon’izy ireo amin’izany. Aminy, aleo ajanona izany adilahy politika izany ka hirosoana ny fikatsahana ny soa iombonana. Mitaky koa ity fikambanana ity ny hamerenana ny fanabeazana ny zaza malagasy mitovy, na aiza na aiza toerana misy azy ireo. Manantitra ny filoha vaovao Ranaivoarison Tahina fa amin’ny atao hoe fampihavanam-pirenena dia tsy ny mpanao politika no ampiahavanina fa ny fampitovizana ny fanabeazana ho an’ny Malagasy rehetra. Antso avo no ataony amin’izany ho an’ireo mpitondra mba ho tompon’andraikitra mahafehy izany zavatra izany. Tsy hisy intsony ny fitongilanana, indrindra eo anivon’ny fampianarana sy ny fanabeazana.

Marihina fa ny ny asa imasoan’ny fikambanana dia ny manabe ny olom-pirenena ary mampanaja ny soatoaviana malagasy.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser