- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-Divers416 Andohalo : Mpanendaka telo lahy saron’ny pôlisy

416 Andohalo : Mpanendaka telo lahy saron’ny pôlisy

Nihevitra angamba izy ireo, fa ho mora foana ny hitsoahana ireo mpanenjika rehefa hiakatra ny tohatohatra 416 ry zalahy. Tsy izay anefa no nitranga  fa efa zatra kotrana ihany koa ireo pôlisy mpanenjika ka noraisim-potsiny teo akaikin’ny sarin’i Masina Maria ireto olon-dratsy izay vao avy nanao ny asa ratsiny. Ny alatsinainy teo tokoa mantsy, dia nisy olona lasibatry ny mpanendaka teny Mahamasina. Telo lahy ireo mpanendaka ary rehefa nahavita ny asa ratsiny dia nitsoaka nihazo an’io tohatohatra miakatra eny Andohalo io. Efa malaza ho faritra mena tokoa mantsy iny toerana io, ary marobe  ireo lasibatra tamin’izany, indrindra fa ireo olona miezaka manatanja-tena vao maraina sy ireo olona mody alina. Tsy misy sahy manaraka intsony ihany  koa ireo olon-dratsy rehefa mihazo iny làlana iny. Tamin’ity indray mitoraka ity anefa, nampandre haingana  ny pôlisy izay misahana ny fifamoivoizana teo akaiky teo ilay lasibatra. Nandray ny andraikiny avy hatrany ireto farany ary niroso tamin’ny fanenjehana ireo mpanendaka telo lahy ary io niafara tamin’ny fahatrarana azy ireo io. Nentina natolotra ny pôlisin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahadimy avy hatrany moa ireo mpanendaka ireto mba hofotorana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici